Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mahatratra 800 ny fangatahana fampodiana an-tanindrazana

15/11/2012

Manao ranolava amin’izao fotoana izao ny fahatongavan’ireo fangatahana fampodiana an-tanindrazana avy amin’ireo vehivavy Malagasy nandeha niasa any amin’ny firenena arabo toa an’i Koweit sy Arabie Saoudite ary Jordania sy Qatar. Amin’ny ankapobeny dia ny fanitsakitsahana ny maha olona toy ny vono sy ny daroka ary ny fanandevozana no isan’ny antony mahatonga ny fangatahan’izy ireo hody. Etsy an-danin’izany anefa dia mbola mitohy ihany amin’izao fotoana izao ny fandefasana mpiasa any amin’ireo firenena ireo. Mbola mitohy tsy tapaka ny fandefasana mpiasa any ivelany.

Vehivavy 20 ka hatramin’ny 30 isan-kerinandro ny mandao an’i Madagasikara ary mihazo an’i Koweit na i Arabie Saoudite na i Jordanie na Qatar, eny fa any Liban ihany koa aza, araka ny fanaraha-maso nataon’ny sendikan’ny mpiasa sosialy matianina na ny SPDTS izay tarihan’i Norotiana Jeannoda. An-jatony isam-bolana arak’izany no isan’ny mpiasa vehivavy mihazo an’ireo firenena ireo. I Koweit amin’izao fotoana izao no tena mahasarika azy ireo sady ahitana tolotr’asa be indrindra. Saika an-tsokosoko avokoa, na mahazo alalana manokana avy amina tompon’andrikim-panjakana ny fandefasana an’ireo mpiasa ireo any amin’ireo firenena ireo, araka ny fanaraha-maso nataon’ny SPDTS ihany. Matetika dia “bonne à tout faire”, izany hoe mpiasa afaka hanao ny asa rehetra ampanaovina azy no tadiavin’ireo mpampiditra mpiasa any amin’ireo firenena ireo. Ny tsy fisian’ny asa eto an-toerana sy ny hamafin’ny fiainana kosa no ambaran’ireo mpitady asa mankany amin’ireo firenena ireo fa antony maharesy lahatra azy ireo amin’izany. Betsaka ihany koa anefa ny fampanantenana ataon’ireo orin’asa mpanelanelana amin’ny fandefasana mpiasa any amin’ireo firenena ireo.
Etsy an-danin’izany anefa, araka ny nambaran’ny filohan’ny SPDTS ihany dia mahatratra 800 amin’izao fotoana izao ny fitarainana sy ny fangatahana fampodiana an-tanindrazana voaray avy amin’ireo vehivavy efa miasa any amin’ireo firenena ireo. Matetika dia ny fanandevozana sy ny daroka ary ny fametavetana mahazo azy ireo any amin’ny asany no itarainan’ireo mpiasa ireo.
Tamba-jotra matanjaka
Nambaran’ny filohan’ny SPDTS ihany koa fa tsy isalasalana amin’izao fotoana izao ny milaza fa efa madiva ho lasa tamba-jotra matanjaka mihintsy ity fandefasana mpiasa any ivelany ity, izany hoe mety tsy ho voafehy intsony raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra entitra. Ny fanadihadiana nataon’izy ireo, miampy ny fitarain’ireo izay iharan’ity asa maizina ity dia manaporofo fa misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ao ambadiky ny fandefasana mpiasa any amin’ireo firenena ireo. Etsy an-danin’izany, miroborobo ihany koa ny fahafahana manangana itony atao hoe “bureau de placemant” itony izay mpanelanelana amin’ny fandefasana ireny mpiasa ireny any ivelany. Nomarihany ihany koa fa tompon’andraikitra ambony avy amina ministera no tompon’ireny “bureau de placement” ireny. Tsy mahagaga hoy izy raha tsy manan-kambara manoloana izany ireo komity manokana izay nampisahanina ity raharaha fandefasana mpiasa any ivelany ity.
Marihana fa tsy manana masoivoho any amin’ny ankamaroan’ireo firenena ireo I Madagasikara. Tsy mba isan’ny firenena nanao sonia ka voafatotry ny fifanarahana iraisam-pirenena fanajana ny lalana miaro amin’ny endrim-panandevozana samihafa ireo firenena ireo. Etsy an-danin’izany dia maro ireo fomba amam-panao izay tsy itovizany amin’ny zava-misy eto amintsika, indrindra eo amin’ny lafiny fampiasana olona sy ny momba ny vehivavy.
Marihana fa misy ny lalana iraisam-pirenena izay mifehy ireny asa an-trano ireny. Eo ihany koa anefa ireo làlana misy eto Madagaasikara toy ny Lalana N° 2008 - 008 tamin’ny 25 Jona 2008 izay mandrara ny fidarohana sy ny famonoana, ny lalana laharana faha 2007- 038 ny 14 Janoary 2008 izay manova sy mameno ny lalana sasantsasany mikasika ny « Code Pénal » mikasika ny ady amin’ny fanandevozana sy ny fizahan-tany mamoafady, ny Lalana n° 62-006 tamin’ny 6 jona 1962 mametra ny fanaraha-maso ny fivoahana ivelan’ny firenena.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...