16/11/2012
Manomboka miakatra ny hatezeran-bahoaka ao Brickaville ao taorian’ny fanagadrana ny tangalamenan’izany faritra izany dia i Zakariasy Patrick (Tangalamenan’ny Betanimena). Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nanao fivoriana manokana ireo Tangalamena isam-bohitra sy ny olobe ary ny vahoaka tany an-toerana, nandinika ny tokony hatao manoloana izao fihetsika miendrika fanamparam-pahefana ataon’ny fitondrana tetezamita izao. Isan’ny soson-kevitr’izy ireo nandritra izany fivoriana izany ny famerenana ny bazary tahaka ny niseho tamin’ny taona 2002, raha tsy mivaly ny fitakin’izy ireo amin’ny famotsorana
na fametrahana ity Tangalamenan’ny “Betanimena” ity amina trano mitokana hambenana manokana. Fantatra ihany koa fa handefa solon-tena hiakatra aty Antananarivo izy ireo hametraka ny fitakiany ao amin’ny fitondrana tetezamita sy ny fitsarana Malagasy ary ireo masohivoho samy hafa sy ny biraon’ny Sadc.
Etsy an-danin’izany, manao harolava ihany koa ireo karazam-pivoriana ataon’ireo zanak’i Toamasina etsy an-daniny, ary ireo manamboninahitra sy mpiara-dia amin’ny fitondrana etsy an-kilany. Tsy vitsy ihany koa ireo resaka mandeha aelin’ny an-daniny sy ny an-kilany manoloana ireo tranga ireo. Isan’izany ny filazana fa tsy maintsy handray andraikitra ny zanak’i Toamasina satria efa tsy azo ekena intsony ny antsonjay izay ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Omaly, ohatra dia nisy fivoriana izay saika nataon’ireo mpikambana ao amin’ny hetsika “Tsisy miala aketo niany” tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita. Tsy tontosa tamin’ny ora farany anefa ity fivoriana ity, na dia efa tazana teny aza ireo mpanao politika mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita izay tonga manokana noho ity raharaha ity. Isan’ny antony tsy naharaikitra ny fihaonana ihany koa ny tsy fahatongavan’i Mandraina Felix izay voalaza fa arovan’ny mpiara-mitolona aminy any amin’ny toerana mihafina amin’izao fotoana izao. Nahitana fivoriana nisesisesy ihany koa tao amin’ny fiadidiana ny Faritra Antsinanana ao Toamasina. Ny Lehiben’ny Faritra moa dia kianin’ny vahoaka nohon’ny fanomezana baiko hanao fisamborana nandritra ny fotoana tsy azo anaovana izany araka ny lalana manan-kery.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.122