Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hotoriana ny kolonely Lylyson sy ny Jeneraly Ravalomanana

16/11/2012

Nivohitra nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny vondrona Ravalomanana tetsy amin’ny Colbert omaly ny resaka manodidina ny fanalam-baraka nataon’ny Foloalindahy, nandritra ilay tatitra mikasika ny hetsika Tandroka tany Atsimo, izay niampangana ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho tao ambadiky ny asan-dahalo sy raharaha Remenabila. Hametraka fitoriana ho an’ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny kolonely Lylyson Urbain de René izy ireo noho izany fanosoram-potaka sy fanalam-baraka izany.

Nasehon’izy ireo ihany koa ny porofo mitohoka amin’ny tenda, manodidina ity resaka fanondranana omby mankany ivelany ity izay nodradradradraina fatratra teo aloha teo fa ny ministry ny Fiompiana no tompon’antoka tamin’izany, nialohan’ny niampangana azy mivantana ho tao ambadik’ireny zava-nitranga tany Atsimo ireny.Ministry ny Fiarovana
Naaton’ny fitondrana Ravalomanana Marc, araka ny didim-pitondrana 2525/2002 ny faha-9 septambra 2002 ny fanondranana omby (bœufs sur pieds) mankany ivelany. Nofoanan’ny fitondrana Andry Rajoelina anefa izany, araka ny didim-pitondrana lahrana 19.533/2011 tamin’ny 20 jona 2011. Voalazan’ny andininy faha-4 amin’ity didim-pitondrana ity fa omby miisa 50.000 no voakasik’izany fanondranana omby mankany ivelany izany ary tsy maintsy mihoatra ny 300 kg lanja velon’ny omby iray. Minisitra efatra no nanao sonia izany didim-pitondrana izany ka isan’ireo ny ministry ny Fiarovana, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Koa raha ny fanondranana omby mankany ivelany no ambaran’ny fitondram-panjakana fa fototry ny asan-dahalo sy ny raharaha Remenabila, moa va tsy tomponandraikitra amin’izany ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, nanao sonia ilay didim-pitondrana nanafoana ilay didim-panjakana nampiato ny fanondranana omby velona ny taona 2002 ? Voalazan’ny andininy faha-3 amin’ilay didim-pitondrana 19533/2011 ihany koa ireo toerana na seranana hanatanterahana ny fanondranana, dia ny seranan’i Vohémar, Mahajanga, Toliara ary Taolagnaro.
Aiza Remenabila ?
Mampametra-panontaniana araka ny filazan’ny Foloalindahy fa manampy ara-bola mpanao politika hiatrehana ny fifidianana ireo dahalo mpangalatra omby miaraka amin-dRemenabila. Ny fanontaniana mipetraka voalohany aloha dia ny hoe : « aiza remenabila; nahoana no tsy voasambotra ity lehibena dahalo ity? ». Izay no nahatonga ny La Nation nametra-panontaniana hoe « ndrao dia ilàna B-52 mihitsy aza ny fisamborana azy satria nilaza no voafetra teo amin’ny lafiny ara-pitaovana ny Foloalindahy ». Tsy nisy « opération » namoahana fitaovam-piadiana mahery vaika noho ity hetsika Tandroka ity teto amin’ny firenena nandritra izay Tetezamita izay. Ny RAL (régiment d’artillerie lourde) izao mihitsy no nalefan’ny filoha Rajoelina tany Betroka, ankoatra ireo vondrona manokana toa ny FIS sy ny CFS. Ho fanarontsaromana ny tsy fahombiazan’ny Foloalindahy tany Atsimo no nambaran’ny vondrona Ravalomanana ho anton’ireny fanalam-baraka sy fanosoram-potaka ireny. Mbola nanamafy koa izy ireo fa tena nisy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona tany Atsimo ary efa « génocide » no zava-nitranga tany. Nanamafy izy ny fisian’ny zaza amam-behivavy maty vokatry ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika hatrany koa ity vondrona ity.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...