17/11/2012
Nandritra ny fihaonana teo amin’ny Lehiben’ny faritra Boeny, Rasoloniaina Jean Christoph sy ny mpiandraiki-draharaha sady mpanolontsaina ao amin’ny masoivoho Malagasy any Arabie Saoudite, Audoux Septime Fierenana no nanambaran’ity farany fa araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia saika avy amin’ny fangalaran’ireo vehivavy Malagasy miasa any amin’ireo fianankaviana any amin’ity firenena ity ny vadin’ny mpampiasa azy no mahatonga ny fahatezeran’ny tompobady amin’izy ireo.
Araka ny fanazavan’ity mpanolontsain’ny masoivoho Malagasy ity ihany dia tsy avy amin’ny mpampiasa matetika ny mahatonga ny fifanolanana eo amin’ny andaniny sy ny an-kilany fa avy amin’ity fangalaram-bady ity. Ankoatr’izay dia nambaran’ity tompon’andrikitra ity ihany koa fa maro amin’ireo vehivavy malagasy miasa any Arabie Saoudite no tsy manana ireo fahaizana faran’izay kely ilaina amin’ny asa an-trano izay ampanaovina azy. Ohatra : misy amin’izy ireo ny tsy mahay mandrehatra Gaz akory ary mbola tsy nanao izany hatrizay niainany. Misy amin’izy ireo ihany koa ny tsy mahay na dia miarahaba amin’ny teny anglisy aza.
Na izany na tsy izany, nanamafy i Audoux Septime Fierenana fa afaka manararaotra tsar any fisian’ny asa any amin’ity firenena ity ny tovovavy Malagasy, indrindra manoloana izao krizy sy tsy fisian’asa eto an-tanindrazana izao. Nambarany fa mikarakara ny fandraisana azy ireo sy ny fahafahany mivezivezy an-tanindrazana ny masoivoho Malagasy any an-toerana. Isan’ny imasoan’ny masoivoho ihany koa araka ny fanazavany ny fanaraha-maso ny fampiharan’ireo fianankaviana mampiasa Malagasy ny fifanarahana sy ny fanajana ny zon’olombelona.
Marihana fa ivon’ny resaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny Lehiben’ny faritra Boeny sy ity mpanolon-tsain’ny masoivoho Malagasy any Arabie Saoudite ity ny hananganana atsy hoa atsy any Mahajanga ny ivo-toerana iray mpandefa mpiasa malagasy any amin’ity firenena ity. Nisy tera-tany Saoudiana niara-dàlana taminy nandritra izao fihaonana izao. Marihina fa mahatratra 500 ireo mpiasa vehivavy Malagasy efa lasa niasa any amin’ireo firenena Arabo toa an’I Arabie Saoudite sy Koweit. Ny “Global service recruitement d’Antananarivo” no nandefa azy ireo amin’ireo firenena ireo. Fantatra ihany koa fa maminavina ny handefa mpiasa any Allemagne sy Australie ary Dulaï ity birao mpandefa olona any ivelany ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.147