Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hametraka fitoriana ny namany

17/11/2012

Tsy voaaja ny zon’olombelona nandritra ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja an’i Riry Be sy ny namany raha araka ny nambaran’ireo mpikambana ao amin’ny hetsika “Tsisy miala aketo niany”, izay nitafa tamina mpanao gazety tany Toamasina, omaly. Nambaran’izy ireo fa marary nohon’ny daroka nahazo azy nandritra ny fisamborana azy ity mpanao fihetsiketsehana ity ary tsy vitan’izany fa tako-kenatra kely monja no teny an-kodiny tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpisambotra azy. Mihevitra ny hametraka fitoriana amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona noho izany ireo mpikatroka amin’ny fikambanana “Tsisy miala eto niany”.

Tsy hipetra-potsiny manoloana ny fihazonana am-ponja sy ny fomba nisamborana ny mpitarka azy ireo, araka ny loharanom-baovao ireo lohandihany ao amin’ny fikambanana “Tsisy miala aketo niany” any Toamasina. Nandritra ny firesahana tamina mpanao gazety tany an-toerana no nanambaran’izy ireo ny fahitany ny fomba nisamborana sy ny manjo an’i Riry Be amin’izao fotoana izao. Voalazan’izy ireo fa tsy mety misakafo ity farany raha tsy ny fiannkaviany no manatitra hanina ho azy mivantana. Etsy an-danin’izany anefa dia arahi-maso akaiky sady tsy azo vangian’ny havany ihany koa I Riry Be. Nomarihan’ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny “Tsisy miala aketo niany” ihany koa fa marary sy mitaraina i Riry be nohon’ny tananany izay nofolahina nandritra ny fisamborana azy. Mivonto be ihany koa izany tanany izany ary marary ny vatany manontolo nohon’ny daroka nahazo azy. Ankoatr’izay,nambaran’izy ireo ihany koa fa “caleçon sy silipo ary akanjo maivana no teny an-kodiny tamin’ny fotoana nisamborana azy sy nanipiazana azy tao anatina fiara 4x4. Voalaza ihany koa fa notapenana lamba ny masony mba tsy ahitany ny toerana nitondrana azy.

Manoloana izany rehetra izany dia nilaza ny hitory amin’ny « tsy fanajana ny zon-olombelona, fidirana an-keriny an-tranon’olona ataona mpiasam-panjakana, fanafihana mitam-piadiana arahana halatra, ary fakana an-keriny olona », ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny hetsika “Tsisy miala aketo niany”. Ny mpisolo vava azy ireo no voalaza fa hikarakara izany. Ankoatr’izay dia miady ho azy ireo ihany koa ny vondron’ny fiaramonim-pirenena ao Toamasina, izay efa nihaona tamin’ny FFKM sy ireo parlemantera avy amin’ny Faritra Antsinanana nanaiky nandray azy ireo. Mihevitra ny hangataka fihaonana amin’ny biraon’ny Sadc eto Madagasikara ihany koa izy ireo. Isany takian’izy ireto ny famotsorana ireo olona 05 nogadraina ao Toamasina, famotsorana ny tangalamena Zakariasy ary ny famerenana ny filohan’ny antenimieran’ny varotra amin’ny toerany izay isan’ny tapaka teo anivon’ny “forum” nataon’izy ireo tao Toamasina ny volana oktobra teo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...