17/11/2012
Vola tsy toko tsy forohona no tsy maintsy alohan’ireo izay hanangona na hitatitra ny vokatra litchis amin’ity taona ity raha te-hanao izany asa izany any amin’ny Faritra Antsinanana izy ireo. Raha atambatra ireo vola samihafa tsy maintsy aloha dia mahatratra 1 tapitrisa ariary izany. Na izany aza dia mirohotra manao izany asa izany avokoa ny ankamaroan’ny mpandraharaha. Nitombo avo telo heny ny isan’ny mpanangom-bokatra raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa.
Am-perin’asa hatramin’ny Alatsinainy teo ny « guichet unique » izay natsangana manokana mba hisahana ny fanomezana ireo taratasy ilaina mba ahafahana manangom-bokatra sy mitatitra ny vokatra litchis amin’ity taom-piotazana ity. Fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny hetra sy ny Faritra Antsinanana ary ny Kaomina an-drenivohitryToamasina no nananganana izany “guichet unique” izany. Tombanana ho 900 fara-fahakeliny ireo mpandraharaha hahazo fazoan-dalana hanangom-bokatra mandritra ity taom-piotazana ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny « Guichet unique ». Hatramin’ny omaly dia efa tsy latsaky ny 500 izy ireo no efa nahazo izany fazoan-dàlana izany. Marihana fa tsy nisy afa-tsy 379 no nanao fanangonam-bokatra tamin’ny taon-dasa. Mila manomana vola 300.000 ariary anefa izy ireo amin’ny fikarakarana ny taratasy satria mahatratra 140.000 ariary ny vola tsy maintsy aloha hahazoana ny hetra tambatra, 100.000 ariary isaky ny fiara izany raha mihoatra ny iray ny fiara hampiasana. Tsy maintsy mandoha saram-pihantsonana eo anivon’ny kaominina, araka ny fanapahana laharana 38/99/CU/CM/TOA, ihany koa izy ireo. 20.000 ariary raha latsaky ny 1 taonina, 40.000 ariary raha 1 ka hatramin’ny 2 taonina, 60.000 ariary ny 2 ka hatramin’ny 4 taonina, 80.000 ariary ny 4 ka hatramin’ny 5 taonina, ary 120.000 ariary raha mihoatra ny 5 taonina.
Ireo vola rehetra tsy maintsy aloha mialoha miampy ny tamberim-bidy 30% amin’ny vola miditra aorian’ny fanangonam-bokatra. Marihina fa tombanana ho 17.000 taonina no hahondrana amin’ny sambo manokana izay efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia teo ny voalohany. Hitondra litchis 7.500 taonina ity sambo voalohany ity, ankoatra ireo mbola hahondrana hanodidina ny 10.000 taonina amin’ny alalan’ny kaontenera mangatsiaka manokana (container frigorifique).
Raha atao ny kajy arak’izany rehetra izany dia mahatratra 500.000 – 1.000.000 ariary ny vola omanin’ireo mpanangom-bokatra rah ate-hanao izany asa izany izy ireo, arakaraka ny fiara ampiasaina. Mbola tsy voaresaka amin’izany anefa ny hofan’ny fiara ho an’izay tsy manana ka voatery hanofa. Eo ihany koa ny fandoavana ny vidin-tsolika.
Hisokatra androany hariva moa ity fanangonana ny litchis ity any amin’ny Faritra Antsinanana sy ny Faritra Analanjorofo. 900 na 1.000 ariary ny iray kilao handraisan’ny mpanondrana azy amin’izao ampahany voalohany hanenjehana ny sambo hiala ao Toamasina ny alarobia na ny alakamisy izao. Mbola tsy fantatra kosa ny vidy ividianana ny vokatra eny ambanivohitra, izay mety hanodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 ariary ny kilao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.963