Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mety hidina an-dalambe ireo mpandraharaha ?

19/11/2012

Manao tohy vakana ny tsy fanarahan-dalana ataon’ny fitondrana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana manerana ny Nosy. Mampiaka-peo indray koa izao ireo mpandraharaha avy any Sainte-Marie, noho ny zava-nitranga any an-toerana ary mandrahona ny hidina an-dalambe mihitsy rahatoa ka tsy misy vahaolana matotra haingana raisin’ny fanjakana. Tafapetraka tao Sainte-Marie ny faha-24 febroary 2010, araka ny didim-pitondrana lany nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny talem-paritra misahana ny Fizahantany tany an-toerana izay nitondra tombotsoa maro ho an’ireo mpandraharaha sy ny tanànan’i Sainte-Marie tamin’ny ankapobeny. Nandroso araka izany ny tanàna ka nahatonga ny fiakaran’ny laharana ho « commune de première catégorie » azy.

Teo ihany koa anefa ny ezaka sy ny fandraisana andraikitra nataon’ny PDS, Bruno Zulloff, tamin’ireo asa fampandrosoana maro. Ny faha-12 novambra 2012 teo anefa, nisy fanapahan-kevitra tampoka nanafoana izany talem-paritry ny Fizahantany izany ary dia nosoloina ho delegasiona misahana ny Fizahantany sisa izany. Tsy vitan’ny mandika ny paikady fototra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny zava-misy fa miteraka fahavoazana ara-toekarena ho an’ireo mpandraharaha any an-toerana ihany koa.
Voalohany, tokony ho tamin’ny alalan’ny didim-panjakana no nanafoanana ny fametrahana ilay talem-paritra fa tsy « note de service », amin’izay indray vadintany no nasaina nampahafantatra azy tany an-tranon’ilay talem-paritra. Izay aloha dia efa endrika tsy fanarahan-dalana mba tsy hilazana fa fantsakitsahana tsotra izao ny paikady ara-pitantanan-draharaham-panjakana. Faharoa manaraka izany, mpandraharaha vitsy no voalaza fa nikotrika izao zava-mitranga any an-toerana any izao mba hanamorana ny ampihimamba ataon’izy ireo eo amin’ny tombotsoa azon’i Sainte-Marie, eo amin’izany tontolon’ny Fizahantany izay. Tsy ny lafiny toekarena ihany anefa no lasibatra amin’izao zava-misy any an-toerana izao fa indrindra koa ny fahasahiranana eo amin’ny fikirakirana taratasim-panjakana. Mpandraharaha manodidina ny 140 no velon-taraina noho ity fanapahan-kevitra ity raha miisa 10 eo ho eo kosa no mahazo vahana amin’izany, araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo solontenan’ny mpandraharaha.
Manaitra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny araka izany ireto mpandraharaha ireto mba hijery sy hanaraka akaiky izao zava-misy any an-toerana any izao. Manam-pikasana ny hidina an-dalambe izy ireo, ao anatin’ny fotoana fohy, rahatoa ka tsy handray fanapahan-kevitra hamerina amin’ny toerany io talem-paritra misahana ny Fizahantany io ny fanjakana. Eto an-drenivohitra moa amin’izao fotoana ireto solontenan’ny mpandraharaha any Sainte-Marie ireto ary mihevitra ny hihaona amin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, hitady vahaolana maika.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...