19/11/2012
Nampihetsi-po ary nampametram-panontaniana ny maro ny tari-bavaka nataon’ny Arsevekan’Antananarivo, nandritra Sorona Masina nanamarihana ny fetin’i Mgr Razanakolona teny Andohalo. Nampifandraisin’ny Arseveka tamin’ny votoatin’ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka izay nivory ny 7 ka hatramin’ny 17 novambra teo ny hafatra nofonosin’izany tari-bavaka nataony izany, izay miantso ny kristianina tsy an-kanavaka, « manomboka amin’ny Eveka », mba hibebaka sy hanova fijery, manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena. « Na izaho eveka aza dia mila mibebaka ary manova fijery amin’ny raharaham-piaraha-monina », hoy ny voalaza nandritra ny Sorona Masina manokana izay natrehan’ireo Pretra maro ao anatin’ny Diosezin’Antananarivo ary notaterina tao amin’ny fahitalavitra TVM, omaly alahady
Tsiahivina fa manana ny anjara-andraikiny teo amin’ny fivoaran’ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra hatramin’izay nidiran’i Madagasikara ao anatin’izao krizy izao ny Fiangonana Katolika, indrindra tamin’ny alalan’ny Arsevekan’Antananarivo izay misolotena ny Fiangonana ao an’ivon’ny FFKM. Samy nanana ny heviny mahakasina ny fihetsik’izany mpitondra fivavahana izany manoloana ny raharaham-pirenena, arak’izany, ny isan’isany avy. Nisy mihintsy aza ireo izay nilaza fa isan’ireo nanamora ny fihatongavan’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao, teo amin’ny fitondrana ny fihetsiky ny Arseveka. Tetsy an-daniny, nanamafy izay fiheveran’ny maro izay ihany koa ny fahitana azy teny amin’ireo lanonana samihafa nokarakarain’ny fitondrana Tetezamita, kanefa tsy tazana tamin’ireny ireo mpitondra fivavahana hafa teo an’ivon’ny FFKM. Ary vao tsy ela akory izay dia nanaitra ny mpanara-baovao ihany koa ny nandrenesana ny Arsevekan’Antananarivo izay nanambara nandritra ny fotoam-pivavahana teo Mahamasina ny fialàn-tsiny avy amin’ny fitondrana tetezamita nohon’ny tsy fahatongavan’ny filoha Rajoelina tao amin’izany Sorona Masina lehibe izany.
Amin’izao falatsahan’ny firenena ao anatin’ny fasahiranana tsy roa aman-tany izao, sy manoloana ny fanambaran’ny Fivondronamben’ny Eveka izay nitanisa ny fahavoazana tsy roa aman-tany mahazo ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao dia tsy vitsy ireo mahita fa manomboka manova ny fomba fijeriny ary manenina tokoa ny Fiangonana, ary isan’izany mazava loatra ny Arsevekan’Antananarivo. Ireto avy moa ireo zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao izay nokianin’ny Fivondronamben’ny Eveka :
• « Ahodinkodina ny loharanon-karem-pirenena ka potika amin’ny alalan’ny fifanarahana tsy ara-drariny : bois de rose, vy, vatosoa, solitany, omby… ary ny ampahany amin’ny tanintsika.
• Manjaka ny mpanao ratsy : risoriso, kolikoly, dorotanety, vaki-trano, famonoana olona, fanalanjaza, fanaparitahana fitaovam-piadiana etsy sy eroa. … ary misy mpitandro filaminana mampiasa ny fahefana ananany hamotehana vahoaka.
• Noho ny tsy fahasahiantsika miaro ny tombon-tsoam-pirenena dia firenen-kafa no manery ankolaka na mivantana mba tsy handraisantsika vahaolana eto an-toerana.
• Efa nolazainay teto fa ny politika eto amintsika dia mivaona amin’ny fanompoana ny vahoaka : maro loatra ireo antoko politika, rafitra tsy mitombina, fitadiavam-bola sy fitadiavan-tseza no ampanjakaina.
• Tsy takona afenina ny fahasahiranana eo amin’ny fiainana ara-piaraha-monina : mafy ny hanoanana, tsy afa-mianatra ny ankamaroan’ny zana-bahoaka, ary izay tafita tsy mahita asa, any amin’ny toeram-pitsaboana tsy ampy fanafody na anjakan’ny kolikoly loatra, maro ny tokantrano rava, ary tsy voajery mihitsy ny tombo-tsoan’ireo tantsaha maro an’isa.
• Ny fitsarana tsy azo itokisana, fa toa ny manan-katao sy ny misy mpanohana ary ny mahalala olona hatrany no mahazo rariny eo amin’ny tribonaly, ary firifiry ireo tsy manan-tsiny no mibaby ny heloky ny hafa, na dia ireo mpitsara te hijoro amin’ny marina zary voahilika. Ny fanjakan’ny tsy maty manota no tena fototry ny tsy fisian’ny fitoniana.
Arak’izany, efa tena lasa lavitra ny fahalovana eto amintsika satria ny konsiansy mihitsy no maty na novonoina. Tsy ny fahaizana intsony na ny herim-po no heverina ho antoky ny fahombiazana fa ny kiantranoan-trano, ny hafetsena ary ny fanararaotana ara-nofo, ka voahitsakitsaka ny fanajana ny aina sy ny fanantenana hitraka”.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.062