Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hitokona ny mpitatitra an-drenivohitra

20/11/2012

Mandrahona ny tsy hiasa manomboka androany ary mandritra ny fotoana tsy voafetra ny Vondron’ny Koperativam-pitaterana eto an-drenivohitra. Fanehoana ny tsy fankasitrahana ny fanomezana alalana ireo zotra avy amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra hiditra hiasa amin’ireo zotra ato anatin’ny renivohitra no anton’izany fitokonana mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. Mitaky ny fametram-pialàn’ny Talé jeneralin’ny Fitaterana sy ny Talé jeneralin’ny ATT ihany koa ny vondron’ny mpitatitra an-drenivohitra. Ireto farany izay tondroin’izy ireo ho nanome alalana ny mpitatitra avy amin’ny “sub urbaines” hanitatra ny asany amin’ny zotra anatin’ny renivohitra.

Enjan-droa ny tady eo amin’ny Vondron’ny mpitatitra amin’ireo zotra anatin’ny renivohitra (UCTU) etsy an-daniny, ary ireo mpitatitra avy amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra miaraka amin’ny fiadidiana ny ATT sy ny Fitaterana ao an’ivon’ny ministeran’ny Fitaterana etsy an-kilany. Mazava loatra fa ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana mahakasika ny asa fitaterana eto an-drenivohitra taorian’ny fampiakaran’ny UCTU ny saram-pitaterana ho 400 ariary. Raha tsiahivina dia tsy nahitam-bokany ny fihaonana matetika teo amin’ireo mpitatitra sy ny tompon’andraikim-panjakana mahakasika ny famerana ny saran-dàlana. Izany hoe niziriziry ny tsy hampidina ny saran-dàlana hatramin’izao ny mpitatitra an-drenivohitra miara-dàlana amin’ny UCTU na dia teo aza ireo soso-kevitra izay naroson’ny ministera.
Ankilan’izay, nahazo alalana ny hiasa amin’ireo zotra anatin’ny renivohitra ireo kopoerativa miasa amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra na fantatra amin’ny hoe “sun urbaines”. Efa nisy tamin’izy ireo no nanomboka izany, toy ny zotra G mankany Ambohimirahavavy sy Vontovorona izay nanitatra hatrany Ankatso. Araka ny nambaran’i Fidimalala Rakotoarimanana, avy amin’ny UCTS (Union des cooperatives des transporteurs sub-urbaines” dia mahafeno ny fepetra ara-kalitao araka izay voafaritra ao amin’ny bokin’andraikitra ny fiara izay nalefan’izy ireo hanitatra amin’ny zotra anatiny. Nambaran’ity mpitatitra ity ihany koa fa 300 ariary no saran-dàlana takin’izy ireo rehefa tafiditra ato amin’ny zotra anatiny izy ireo.
Noho izay finitaran’ny mpitatitra avy any amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra ny asan’izy ireo hatraty anatin’ny renivohitra izay no anton’ny fitokonana fanairana izay hataon’ny mpitatitra amin’ny zotra an-drenivohitra manomboka androany. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny UCTU, Andriambinintsolomora Bernardin dia tsy ara-dàlana ny fanomezan-dàlana ireo mpitatitra ivelan’ny renivohitra hanitatra ny asany aty anatin’ny zotra an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo no tokony hanampan-kevitra momba izany. Mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ireo izay nanome an’io alalana io, arak’izany ireo koperativa mivondrona ao amin’ny UCTU. Tsy iza izany fa ny Tale jeneralin’ny Fitaterana sy ny tale jeneralin’ny ATT. Marihina fa ny loharanom-baovao avy amin’ny UCTU ihany koa no nahafantarana fa ankoatry ny maha tale jeneralin’ny Fitaterana azy dia isan’ny tompon’andraikitra ambony ao an’ivon’ny UCTS ihany ny tenany.
Hanomboka androany, araka ny fanambarana efa nataon’izy ireo no hitokona tsy hiasa ny koperativa rehetra ao anatin’ny UCTU. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy hiverina hiasa izy ireo raha tsy miverina amin’ny zotra natokana ho azy ireo mpitatitra ivelan’Antananarivo. Hivory ao amin’ny foiben-toeran’ny UCTU izy ireo manomboka androany maraina.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...