Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Ny mpanao politika sisa no sakana »

20/11/2012

Mazava ny fanambarana nataon’ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara, Léonidas Tezapsdis mahakasika ny fahitany ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara sy ny firosoan’ny firenena amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Nambarany nandritra ny lahateny izay nataony tamin’ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ireo firenena hanampy an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana fa “ireo mpanao politika sisa no olana eo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana”.

Nambarany mazava ihany koa fa mbola tsy tanteraka araka ny tokony ho izy hatramin’izao ny fampiharana ireo andininy rehetra amin’ny fifanarahan’ny Tondrozotra ivoahana amin’ny krizy. Nanao antso avo tamin’ireo mpanao politika ary ny tenany mba hiroso haingana amin’ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny tondrozotra izay sy hametraka haingana ny fitoniana eto amin’ny firenena.
Omaly moa no nosoniavina ny fifanarahana teo amin’ny PNUD tetsy an-daniny, ary ny Vondrona Eropeana sy ny firenena Suisse ary I Norvege tetsy an-kilany. Fifanarahana izay hanomezan’ireto firenena ireto famatsiam-bola ho fanatanterahana ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara amin’ny taona ho avy. Marihina fa mitentina 25 tapitrisa Dolara ny fitambaran’ny vola homen’ireto firenena ireto hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana ka ny 20 tapitrisa dolara amin’izany dia avy amin’ny Vondrona Eropeana avokoa, ka ny 1,4 tapitrisa Euro amin’izany no efa nekeny ny hamoahana azy. Manodidina ny 71 tapitrisa dolara kosa ny vola ilain’i Madagasikara ahatomombanana ity fifidianana kasaina hatao amin’ny taona ho avy ity. Fifidianana izay mbola mampanahy ny maro ny fatanterahany nohon’ny tsy filaminana izay mbola manjaka eto amin’ny firenena hatramin’izao sy ny tsy fisian’ny fifanarahana matotra eo amin’ny samy mpanao politika.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...