Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mihoatra ny 250 no maty tany Atsimo

21/11/2012

Iza no mandainga, ny Amnesty International izay nilaza fa tsy latsaky ny 250 ireo olona maty novonoin’ny Foloalindahy tamin’ny fomba feno habibiana tany Atsimo ary miantso ny fianakaviana iraisam-pirenena hanokatra fanadihadiana manodidina izany sa ireo tomponandraikitra nanankinan’ny filoha Rajoelina ny hetsika Tandroka izay vao avy nanao tatitra farany teo ? Iza marina tokoa no mandainga, ireo fianakavian’ny maty sy ny vahoaka any Atsimo nihaona mivantana tamin’ireo tomponandraikitry ny Amnesty International sa ireo vondrona manokana avy amin’ny mpitandro filaminana?

Manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanokatra fanadihadiana ary koa ny hanolorana ireo manamboninahitra ambony tomponandraikitra tamin’ny hetsika Tandroka tany Atsimo ny Amnesty International. Nambaran’ity fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona ity fa mila fehezina haingana mihitsy ireo Hery Vonjy Taitra eto amintsika, izay mampihatra herisetra tsotra izao tamin’ireo vahoaka any Atsimo, tahaka ny famonoana andiana mponina ary koa ny tsy fandraisana andraikitry ny manampahefana isan-tsokajiny eo anatrehan’izany. Tsy nitsitsy fitenenana mihitsy ny Amnesty International taorian’ny fizahana ifotony ny zava-nitranga tany Atsimo. Voalazan’ity fikambanana mpiahy ny zon’olombelona ity ihany koa ny fandorana tanàna iray manontolo (95 tafo) tao amin’ny kaominin’i Elonty, nahafatesana olona miisa 11 ka ny iray tamin’izany dia zazavavy kely vao 6 taona monja. Angamba kosa tsy dahalon-dRemenabila intsony izany zazavavy kely izany! Toraka izany koa, araka ny nambaran’ny Amnesty International hatrany, ny famonoana izany olona manana fahasembanana ara-batana izany ary ny ray aman-dreny sy ny vadin’izany lehilahy iray noheverina fa dahalo tao Mahaly izany.
Lohalaharana
Mitàna ny lohalaharana amin’ny isan’olona maty ity fitondrana Tetezamita tarihin’ny filoha Rajoelina ity hatramin’izay nisian’ny tetezamita. Nahatratra na mety nihoatra ny 550 ireo maty nandritra ny raharaha 26 janoary 2009 (tsy mbola misy fanadihadiana nosokafana mihitsy na dia fantatra izao aza ny tomponandraikitra tamin’izany) dia izao voalazan’ny Amnesty International izao indray fa tsy latsaky ny 250 ireo maty novonoin’ny Foloalindahy manodidina ny hetsika Tandroka tany Atsimo. Tsy latsay ny 1000 izany izao ireo namoy ny ainy vokatry ny setrasetra sy ady teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2009. Ny fifidianana heverina hivoahana amin’ny krizy anefa ity toa mbola fanontaniana sy ankamantatra. Manahy mafy izay resaka manodidina ny fifidianana izay eo anatrehan’izao zava-misy izao rahateo koa moa ny Amnesty International. Ho tafakatra firy izany ny isan’ny maty eto amin’ny firenena raha toa ka mbola hitohy roa na telo taona ity Tetezamita ity ?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...