Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mila vola indray ve ireo CST?

21/11/2012

Tapaka nandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro natrehana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamia, omaly 20 novambra fa hatao ny fangatam-panazavana amin’ny minisitry ny vola sy ny teti-bola, Hery Rajaonarimampianina mahakasika ny fomba fitantanana ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny amin’izao tetezamita izao, sy ny mikasika ny fitantanana ny vola natokana ho an’ny parlemanta. Natsangana eo an’ivon’ity andrim-panjakana ity arak’izany ny komity manokana hanao fanadihadiana momba ireo fitakiana izay mirongatra sy mahazo vahana amin’ny sehatra maro, indrindra amin’ny sehatry ny fitantanam-bola amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mahita fa mety ho fitaovana hanerena ny minisitry ny Vola hanome tamby an’ireo parlemantera nanasonia ity fangataham-panazavana ity izao hetsika izao.

Tsy mipetraka araka ny tokony ho izy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny andrim-panjakana mpanao lalana sy ny andrim-panjakana mpanatanteraka amin’izao tetezamita izao. Raha jerena tokoa ny votoatin’ny fanampahan-kevitra izay noraisin’ireo Filankevitra avon’ny tetezamita izay nivory omaly 20 novambra dia azo lazaina fa miahiahy mafy ny amin’ny fisian’ny fitantanana gaboraraka sy ny tsy fandehanana araka ny tokony ho izy ny volam-bahoaka izy ireo. Arak’izany dia tapaka nandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro fa hiantso ny minisitry ny vola sy ny teti-bolam-panjakana Hery Rajaonarimampianina ity andrim-panjakana ity ary hangatam-panazavana aminy mikasika izay fitantanana ny volam-bahoaka izay, indrindra ny antony mahatonga izao olana ara-bola amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena izao. Hangataham-panazavana manokana mandritra izany ihany koa ny antony mahatonga ny olana ara-bola ao amin’ny Filankevitra avon’ny tetezamita.
Ankoatr’izay dia hangatahana fanazavana amin’ny minisitra ihany koa ny momba ny fitantanana ireo vola azon’ny firenena avy amin’ny fisian’ireo orin’asa vaventy mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara toy ny SHERRIT, QMM ary ny WISCO. Hangataham-panazavana amin’ny minisitry ny vola ihany koa ny fomba nandrafetana ny teti-bolam-panjakana, ny momba ny politikan’ny fitsitsiana ary ny momba ny taratasin-tsolika.
Marihina fa mandritra ny fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CST rahampitso 22 novambra no hamaritana ny daty hanatantera daty hanatanterahana izany fihaonana fangataham-panazavana amin’ny minisitry ny vola izany.
Paik’ady hitakiana vola amin’ny minisitra?
Tsy isalasalana ny milaza fa tsy vitsy amin’izao fotoana izao ny miombon-kevitra amin’ny mpikambana ao amin’ny CST mahakasika ny mety fisian’ny fitantanana gaboraraka ny volam-panjakana amin’izao fotoana izao. Porofon’izany ny firongatr’ireo fitakiana izay miseho etsy sy eroa, indrindra eny an’ivon’ireo asam-panjakana. Torak’izany koa ny tsy fahafahan’ny fanjakana manao araka ny tokony ho izy ny asany, raha tsy hiteny afa-tsy ny fitotongan’ny kalitaon’ny asa eny an’ivon’ireo biraom-panjakana ireny isika. Eo ihany koa ny firongatry ny kolikoly samihafa izay saika mipoitra avy amin’ny fitotongan’ny fahafahan’ny fanjakana manara-maso ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny.
Na izany na tsy izany, mametram-panontaniana ny amin’izay ho lanjan’ity fangataham-panazavana hataon’ny Filankevitra avon’ny Tetezamita ity ny mpanara-baovao. Raha araka ny tokony ho izy tokoa dia amin’ny alalan’izany fanazavana izany no tokony hivoaka ny marina rehetra mahakasika ny fisiana na tsy fisian’ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka amin’izao tetezamita izao. Ary raha tena tsapa tokoa fa misy izany gaboraraka izany, mampametram-panontaniana ihany koa ny amin’ny mety ho fanampahan-kevitra azon’ireo parlemantera raisina. Raha dinihina amin’ny fomba tsotra tokoa dia tokony tsy hananana indra-fo ny fisian’ny tompon’nandrikitra izay mampanjaka ny gaboraraka ka mahatonga ny fahoriam-bahoaka izay efa mahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tokony tsy hipetraka eo amin’ny dingan’ny fangataham-panazavana arak’izany ny raharaha tahaka izao fa tokony hipaka hatrany amin’ny fanadihadiana sy fitondrana ny raharaha eo anatrehan’ny tompon’nandrikitra manandrify izany. Fa raha tsy izay no mitranga dia tsy isalasalana ihany koa ny milaza fa paik’ady ataon’ireo parlemantera fotsiny ihany izany fangataham-panazavana izany. Izany hoe sinema ahafahana manery an’ity minisitra ity hanome tamby azy ireo mba tsy hiakaran’ny raharaha any amin’ny sehatra hafa mety hampiongana ny minisitra.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...