21/11/2012
Mazava tamin’ny vahoaka teto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny zava-nitranga omaly, fa tsy afa-nanao n’inon’inona teo anatrehan’ny fizirizirizn’ny mpitatitra tsy hanao ny asa nifanarahana taminy araka ny bokin’andraikitra ny fanjakana tetezamita. Tsy vitan’izay fa tsy nahita vaha-olana nasolo ny tsy fisian’ny taksibe ihany koa izy ireo nandritra ny omaly. Arak’izany, ho an’ny maro dia fitondram-panjakana tsy afa-miahy araka ny tokony ho izy ny fiainam-bahoaka no misy amin’izao fotoana izao. Izany hoe, teboka ratsy ho an’ny mpitondra ny tetezamita manoloana ny fiatrehana ny fifidianana iny nitranga omaly iny.
Tsy takona nafenina intsony ny tsy fifehezan’ny fitondrana tetezamita ny fiainambahoaka. Tsy nisy niasa araka ny efa nambarany ireo mpitatitra tamin’ny zotra an-drenivohitra nandritra andron’ny omaly. Tsy nanan-kavaly manoloana an’izany anefa ny fitondram-panjakana fa dia tanteraka an-tsakany sy an-davany tokoa ny tery vaimanta nataon’ny UCTU. Vokany, niarahan’ny rehetra nahita ny fahafenoan’ny arabe saika nanerana ny renivohitra nohon’ny famaroan’ny vahoaka nandeha an-tongotra satria tsy nisy ny fiara fitaterana. Nitombo ihany koa ny isan’ny fiaran’olo-tsotra ka niteraka fitohanana matevina dia matevina tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra.
Tsy isalasalana ny milaza fa nisy vokany tany amin’ireo toeram-piasana sy ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny teto an-drenivohitra izany rehetra izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny fahatarana na tsy fahatongavana tany am-piasana na ny toeram-pianarana sy ny fitomboan’ny vola nivoaka ho an’izay voatery naka fiarakaretsaka. Santionany amin’ny fiatraikan’ny tsy fiasan’ny mpitatitra an-drenivohitra omaly ireo notanisaintsika ireo. Tsy resahana intsony kosa ny fahasorenana sy ny disadisa naterak’izany.
Paik’ady hanaratsiana ny tetezamita
Betsaka ny mety azo hiheverana an’iny fihetsiky ny mpitatitra iny. Ankoatry ny maha-ady varotra mahakasika ny tombontsoa manandrify ny asa fitaterana an’iny hetsika iny dia azo heverina ihany koa ny fisian’ny paik’ady politika mety ho ao ambadik’izany. Porofon’izany ny fitakiana ny fialan’ny tale jeneralin’ny Fitaterana sy ny tale jeneralin’ny ATT izay nataon’ireo mpitatitra an-drenivohitra ho tambin’ny fiverenan’izy ireo amin’ny asany. Mbola manaporofo izany ihany koa ny fanampahan-kevitra izay noraisina omaly, taorian’ny fihaonan’ny mpitatitra tamin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Tananan’Antananarivo. Fihaonana izay nanomezan’ity farany rariny an’ireo mpitatitra an-drenivohitra ka nanekeny ny tsy hidiran’ny mpitatitra avy any ivelan’ny renivohitra eto Antananarivo. Izany hoe tsy mankasitraka ny fanampahan-kevitry ny ATT sy ny ministeran’ny Fitaterana ny fiadidiana an’Antananarivo. Voalaza tamin’ny fanambarana omaly fa hiverina hiasa ny UCTU androany ary sakanana tsy hiasa eto amin’ny zotra anatin’ny renivohitra ny UCTS.
Tsy ireo mpitatitra ihany anefa no mety hanana paik’ady politika enti-manaratsy ny tetezamita satria azo heverina ho mety hanana izany ihany koa ny ao amin’ny ministeran’ny Fitaterana. Ity farany izay iaraha-mahalala fa eo am-pela-tanan’ny antoko politika efa nitonona ny hanolotra kandida hifaninana amin’ny filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny minisitry ny Fitaterana izay Sekretera nasionalin’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina) tarihan’i Roland Ratsiraka. Manana tombontsoa amin’ny fahatezeram-bahoaka manoloana ny fihetsiky ny fitondrana tetezamita arak’izany izy ireo raha toa ka tena mihevitra ny handresy na hitady fandresena amin’izany fifidianana izany.
Raha fintinina dia taratry ny tsy fitovian-kevitra intsony manoloana ny ho avin’ny firenena ny zava-niseho omaly. Ekena fa voakasika mivantana ny tontolon’ny fitaterana. Saingy na izany na tsy izany samy manana ny tombontsoa arovany ireo izay nibaiko na voakasik’iny raharaha omaly iny.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.839