Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Vonona ny handrodana ny « mandan’i Jerikao » ny Mpitondra Fivavahana

22/11/2012

Nanambara mazava ny fahavononany hitarika ny vahoaka handrodana ny tsy mety eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ireo mpitondra fivavahana mivondrona ao amin’ny HMF (hetsiky ny mpitondra Fivavahana). Miantso ny vahoaka tsy ho tamana amin-dratsy na ho zatra ampiharana ny tsy rariny izy ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly. Tafiditra amin’izany indrindra ny fotoam-bavaka lehibe izay iantsoan’izy ireo ny vahoaka tsy an-kanavaka amin’ny asabotsy izao eny amin’ny kianjan’Antsahamanitra.

Manao politika izahay saingy tsy mitady toerana. Isan’ny nambaran’ireo mpitondra fivavahana avy ao amin’ny HMF izany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny restaurant Bon accueille teny Ambatonakanga, omaly. Mazava loatra fa ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao sy ny ho fandraisan’andraikitr’izy ireo manoloana izany no votoatin’izany tafa ho an’ny mpanao gazety izany. Nambaran’ny Pastora Roger Randriamisata, iray amin’ireo lohandohany ao amin’ity HMF ity fa ny mpitondra Fivavahana no tena manda farany eto amin’ny firenena rehefa, tsy hita iantehenara fa difotry ny fanaovana politika manohana antoko ireo mpitandro filaminana izay antenaina amin’izany. Arak’izany dia vonona ny hitarika ny vahoaka “handrodana ny mandan’i Jerikao” izahay, araka ny fanambarana nataon’ireto mpitondra fivavahana ireto. Nasongadin’izy ireo ihany koa fa mitaona ny vahoaka Malagasy haneho firaisan-kina marina tokoa ka tsy “ho tamana amin-dratsy” na ho zatra ampiharana ny tsy rariny ka miforitra anaty tsy sahy mijoro amin’ny tena maha-izy azy ny tena, mandray an-tanana ny ho aviny sy ny kolontsainy ary ny fiandrianany. Miantso ny vahoaka hijoro amin’ny heriny rehetra amin’ny fahamarinana manoloana izay rehetra hita fa tsy rariny ary tsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpamono olona ka hankasitraka izany ihany koa ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tamin’ity fanambarana nataony omaly ity.
Etsy an-danin’izany nanao antso avo amin’ny fahitan’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny firenena ihany koa izy ireo. “Aoka izay ny fanakalozana ny ain’olona sy ny rà nalatsaka natakalo seza sy harena, ary aza totofana amin’ny basy sy ny fampitahorana ny marina fa tsy hataon’Andriamanitra tsy manan-tsiny tsy akory izay manao izany ”, hoy ny voasoratra tao amin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo.
Taorian’ireo Eveka avy amin’ny fiangonana Katolika eto Madagasikara, dia azo lazaina fa ity indray izany izao no fanambarana azo kilasiana ho isan’ny lehibe indrindra amin’ny tsy fankatoavana izao fitondrana ny raharaham-pirenena eto amintsika izao sy ny fanairana ny vahoaka manontolo mba hikaro-bahaolana haingana. Na izany na tsy izany mampametram-panontaniana ny maro ihany koa ny momba ny antony tsy hifanantonan’ireto mpitondra fivavahana ireto manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Raha araka ny tokony ho izy dia tokony hifanantona izy ireo ary hifanome tanana mba ho fanavotana ny firenena amin’izao kizo misy azy izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...