Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

An-jatony ny zaza mirenireny amin’ny alina

22/11/2012

Ny fitiliana nataon’ny fikambanana HAFARY Malagasy (Hery sy Andry Fiarovana an’Antananarivo Iombonana) tamin’ny alin’ny talata lasa teo no nahitan’izy ireo fa an-jatony ireo zazalahy eo anelanelan’ny 8 ka hatramin’ny 14 taona izay mirenireny amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra. Isan’ny faritra nahitan’izy ireo izany ny teny Analakely , Andravoahangy, Antaninarenina ary Petite Vitesse.

Tsy voafaritra mazava tsara hatreto ny ataon’ireto ankizy ireo mandritra izany fivoahana alina ataon’izy ireo izany araka ny fanazavan’ny filohan’ity fikambanana ity, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Na izany na tsy izany antony maro kosa no fantatra fa mahatonga azy ireo hirenireny mandritra ny alina. Misy amin’izy ireo ny tena tsy manan-trano na fianankaviana hipetrahana mandritra ny alina, misy kosa ireo manam-pianankaviana ihany saingy nohon’ny olana misy ao amin’izany fianankaviana izany dia naleony nisafidy ny hivenjivenjy mandritra ny alina eny ivelany. Isan’ny olana voaresak’izy ireo matetika ny momba ny raim-pianankaviana mamono nohon’ny fahamamoana. Eo ihany koa anefa ireo izay nilaza fa tena sitra-pon’izy ireo mihintsy ny hirenireny amin’ny alina. Ireto farany dia mety ho azo kilasiana ho mivoaka alina nohon’ny ditra.
Marihina fa nadray andraikitra manandrify izany ny fikambanana HAFARY Malagasy, izay nandray sy nampiantrano zazalahy miisa 12 tamin’ireo izay sedra azy ireo. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy manao politika ity fikambanana ity ary manompana ny asany amin’ny fiarovana ireo izay ianjadian’ny herisetra sy ny antsonjay.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...