23/11/2012
Omaly tamin’ny 11 ora sy 35 minitra no nalain’ny orin’asa nividy azy ilay fiara-manidina Force One II ary nandao an’i Madagasikara ka nihazo an’i Tanzania. Mpandraharana malaza eo amin’ny sehatry ny trano filokana any Las Vegas no voalaza fa nividy ity fiaramanidin’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha ity tamin’ny vidiny ambany lavitra nohon’ny atsaky ny vidy nividianana azy. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy ny fanambarana tamin’ny fomba ôfisialy ny falafosan’ity fiaramanidina ity sy ny hampiasana ny vola vidin’izany.
Efa-taona taty aorian’ny fanambarana nataon-dRajoelina nanoloana an’ireo mpiara-dia taminy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mai dia lafony tokoa ilay fiaramanidina isan’ny nanakianany ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy nitarihana ny vahoaka ho tezitra taminy. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto raha hitàna ny teny nataony tamin’izany fotoana izany ny filohan’ny tetezamita na tsia. Araka ny niarahan’ny rehetra naharè dia avadika ho sakafo hoanin’ny vahoaka ny vidin’izany fiaramanidina izany raha ny fampanantenana nataony. Lafo tokoa ary ankehitriny ny Force One II. Omaly tamin’ny 11 ora sy 35mn no nanainga teny amin’ny seranam-piara-manidina iraisam-pirenena Ivato ity fiaramanidina ity izay hihazo an’i Tanzania. Mpandraharaha avy any Las Vegas miasa amin’ny sehatry ny trano filokana no nambaran’ny loharanom-baovao fa nividy azy tamin’ny vidiny 24 tapitrisa dolara monja. Tsiahivina fa 60 tapitrisa dolara mahery no nividianana an’ity fiaramanidina ity. Latsaka ambany nohon’ny atsasa-bidiny arak’izany no nahalafosana ny Air Force One II.
Tsy vitsy amin’izao fotoana izao ireo izay mametram-panontaniana ny amin’ny antony tsy nanaovan’ny fitondrana tetezamita fanambarana mialoha ny fahavitan’ny fifanarahana momba ny falafosan’ity fiaramanidina an’ny Filoham-pirenena teo aloha ity. Mampametram-panontaniana ihany koa ny mbola tsy nilazana ny momba ny vidy nahalafosana azy sy ny hampiasana izany vola izany. Ho an’ny mpanara-baovao dia taratry ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka ny tsy fisian’izany tatitra izany. Mahagaga ihany koa etsy an-danin’izany ny fahanginan’ireo parelemanteran’ny tetezamita manoloana ny dingana narahana momba ny famarotana an’ity fiaramanidina ity. Raha araka ny tokony ho izy tokoa dia ry zareo ao an’ivon’ny andrim-panjakana mpanao lalana no tokony hanome alalana ny andrim-panjakana mpanatanteraka hanao izany fifanarahana ara-barotra izany.
Na izany na tsy izany miandry izay fihovana mety hisy eo amin’ny fiainam-pirenena ny rehatra taorin’ny falafosan’ny Force One II. Satria matoa namidy izany fananam-pirenena izany dia nohon’ny fahatsapana fa hitondra soa ho an’ny vahoaka ny famarotana azy.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.147