23/11/2012
Nosantarina omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny herinandro izao ilay hetsika ara-toe-karena fantatra amin’ny anarana hoe « vitrine économique» any Toamasina. Ny Praiminisitra Omer Beriziky no nitarika ny delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana izay nanome voninahitra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany hetsika izany. Nambaran’ny Praiminisitra tamin’ny laha-teny nataony tamin’ny lanonam-panokafana fa tsy maintsy mametraka ny tany tan-dàlana i Madagasikara raha te-hametraka fitoniana marina eto amin’ny firenena. Ny fitoniana, hoy izy, no miantoka ny tena fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Nomarihan’ny Praiminisitra ihany koa fa ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny 75% n’ny mponina ao Toamasina, araka ny tatitra faran’ny banky iraisam-pirenena. “Raha samy manara-dalana amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana dia samy mahazo tombony amin’ny asany avy ka ho tratrantsika ny fenitra napetraka toy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina antoky ny fandrosoan’ny ekonomiantsika”.
Isan’ny niara-dàlana tamin’ny Praiminisitra tamin’ny fotam-panokafana ny « vitrine économique » tany Toamasina ihany koa ny Praiminisitra lefitra Botozaza. Ity farany kosa dia nanambara mazava fa “potiky ny krizy politika novolena teto ny ekonomia Malagasy. Ny fitoniana ara-politika no vahaolana amin’ny fampiroboroboana indray ny toe-karem-pirenena, satria ny fandrosoana ara-ekonomika no miteraka ny fandrosoana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny famoron’asa sy amin’ny alalan’ny fisian’ny famantsiam-bola samy hafa”.
Raha ny zava-misy mandritra ny 03 andro ny hetsika, dia isany nahazo vahana ireo sehatra tsy miankina avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy, nefa tsy diso anjara ihany koa ireo sehatra tsy miankina tao Toamasina. Ny tetikasa Ambatovy izay isany mpanohana manokana ny hetsika, dia nampiranty ireo asa rehetra ataony manomboka amin’ny fanodinana ny nikela sy kobalta, hatramin’ny asa sosialy ara-piompiana sy ara-pambolena ary fanampiana samy hafa fanaony amin’ireo sampan-draharaha misy ao aminy. Isany nampafantatra ny asany koa ny SPAT amin’ny “vina 2015 – 2030” napetrany entina hanatsarana sy hanitarana ny ambaindain’ny seranan-tsambo hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena; nisy raha teo omaly tolakandro ny fanazavany mikasika ity “vina” goavana napetrany ity. Nampahafantatra ny asa ara-pambolena fanaony koa ny orinasa SILAC izay isany mpanohana ny hetsika ara-toe-karena ao Toamasina ity; toy izany koa ny Air Madagascar izay nanome tolotra mihintsy mandritra ny hetsika ao Toamasina ho an’ireo mpanjifany; ary ny orin’asa Fanalamanga avy ao Moramanga amin’ny vokatry ny ala ataony.
Trano eva 50 no hita ao amin’ity hetsika ara-toekarena ity. Orin’asa vaventy maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny nosy sy avy amin’ny faritra manodidina an’i Toamasina no mandray anjara amin’izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.813