Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Fanjakana mafia no misy eto »

24/11/2012

Valin-kafatra ho an’ireo mpitandro filaminana izay nanao fanambarana mahakasika ny fizotran’ny hetsika manokana « Tandroka » any Betroka no azo hamaritana ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’i Raharimalala Louisette, omaly tao amin’ny hotely Colbert. Arak’izany dia nitondra ny fijeriny manoloana ny fanambaran’ireo manamboninahitra mikasika ity raharaha ity ny tenany. Nisy ihany koa ny fijoroana vavolombelona mikasika ny habibiana nataon’ny mpitandro filaminana tany amin’izany faritra izany ka nilazan’izy ireo fa « fanjakana mafia no misy eto »

« Gadrainareo ny olona milaza ny fahamarinana sy manohintohina ny tombontsoanareo : Tangalamena mijoro, gadraina, tsy mbola nisy teto amin’ny firenena izany, aiza ny tena fahamarinana ? ». Io no fehezanteny nentin’ity solombavambahoaka teo aloha tany Bekily, Raharimalala Louisette, nanomboka ny fanambarany, omaly tao amin’ny Hotely Colbert. Nambaran’ity mpanao politika ity fa mitovy laharana amin’ny Andriana, ny Lonaka, ny Hazomanga, ary ny Olobe ny Tangalamena. Arak’izany dia olona natao hamaha olana sy hanome soso-kevitra mahasoa, natao hitarainana ary hiaro ny harem-pirenena ireo sokajin’olona ireo, kanefa dia hiaran’ny fanagadrana avy amin’izao fitondrana izao.
Ankoatr’izay dia isan’ny nametrahan’i Raharimalala Louisette fanontaniana ihany koa ny mikasika ny raharaha Remenabila. Voasambotra ve i Remenabila sa tsia ? Nahomby ve ny « opération Tandroka » sa tsia ? Ireo no fanontaniana mavaivay napetrak’ity mpanao politika ity tamin’ny fanazavana izay nataony. Namafisiny anefa fa tsy ny fisamborana ny dahalo no kianiny fa ny fandorana ny tananan’ireo tsy manan-tsiny sy ny fampiasan-kery na fitaovana maherivaika amin’izy ireo.
Mbola isan’ny nitondran’i Raharimalala Louisette fanazavana ihany koa ny fanakianana azy mikasika ny fanofana trano fandraisam-bahiny mandritra ny fampitam-baovao ataony. Nambarany fa nohon’ny tsy fahafahany maneho hevitra amin’ireo haino amanjerim-panjakana nohon’ny sivana maherivaika misy ao dia tsy maintsy nisafidy ny haneho hevitra amin’ireny trano fandrisam-bahiny ireny ny tenany. Mahatratra 240 000 ariary araka ny nambarany ny vola lany amin’izany, raha manao izany maimaim-poana any amin’ny haino amanjerim-panjakana ny hafa.
Marihina fa nandritra ity fanehoan-kevitra ity dia nisy mponina avy any amin’iny distrikan’i Bekily izay nijoro vavolombelona momba ny habibiana manjo ny vahoaka any amin’izany faritra izany. Tsimangiky no anaran’ilay nijoro vavolombelona, ary ao amin’ny kaomina Maroviro any amin’ny Distrikan’i Bekily izy no monina. Nambarany fa tamin’ny 8 oktobra 2012 tokoky ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina dia tonga tao amin’ny fokontany Ankilimary ao amin’ny kaomina Anakafy ireo mpitandro filaminana avy amin’ny operation Tandroka. Novorian’izy ireo avokoa ny vatan-dehilahy tao amin’izany tanana izany, manomnoka amin’ny 15 taona no miakatra. Taorian’ny famoriana azy ireo dia nentin’ireo mpitandro filaminana tany avokoa ny omby 300 mahery tao an-tanana sy ireo vatan-dehilahy. Tsy voaporofo anefa ny maha dahalo na tsia an’ireto olona ireto. Fantatra ihany koa fa tsy nisy tafaverina tany amin’ny tompona ireo omby ireo na iray aza. Ireo olona nosamborina kosa: ny sasany niharan’ny herisetran’ny mpitandro filaminana; ny sasany kosa naiditra am-ponja, eny fa na dia ireo mpanati-bary aza dia noharan’izany.
Marihina fa antso avo manandrify ny mpitondra amin’izao tetezamita izao no isan’ny namaranana ity valandresaka nataon’i Raharimalala Louisette ity. Nambarany fa mibaribary ny tsy fahamarinan’ity fitondrana ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...