24/11/2012
Mampiaka-peo amin’izao fotoana izao ireo tantsaha mpiompy tantely any amin’ny faritra Antsinanana. Araka ny fahitan’izy ireo dia tsy marina ny filazana fa ny fiparitahan’ilay karazan’aretina atao hoe “Varroa” no mandripaka ny rennin-tantely any amin’izany faritra izany. Hatramin’ny nisian’ny tetik’asa Ambatovy, sy ireo akora simika ampiasainy amin’ny fitrandrahana sy ny fandefasana ny vokatra azony any amin’izany faritra izany no nambaran’ireto tantsaha ireto fa nahatonga ny fahafatesan’ny reni-tanely. Manaitra ny sain’ny rehetra ary mangataka fanadihadiana manoloana izany fahavoazana ateraky ny tetik’asa Ambatovy izany ny fikambanamben’ny mpiompy tantely any amin’ny faritra Antsinanana.
Niala tamin’ny fahanginany ny fikamabamben’ny tantsaha mpiompy tantely any amin’ny Faritra Antsinanana. Nanatanteraka fihaonambe izay namakiana bantsikana ny loza mitatao amin’ity lalam-piariana ity any amin’izany faritra izany izy ireo ny alakamisy lasa teo. Nandritra izany fihaonana izany ary no nanambaran’ireo tantsaha ireo fa “tsy misy idiran’ny haretina ‘varroa’ ny fahafatesan’ny tantely any amin’izany faritra izany, fa tena zavatra hafa mihintsy”. Araka ny fanazavan’ireo tantsaha mpiompy dia ny taona 2009 no nambaran’ny fanjakana fa tafiditra teto Madagasikara ny haretina “varroa” izay mamomno ny renitantely. Tany amin’iny faritra iny anefa dia ny faramparan’ny taona 2006 sy ny taona 2007 no nanomboka ringana ireo renitantelin, ka ireo teny amin’ny toerana tsy lavitry ny orin’asa Ambatovy, indrindra ny manodidina ny 50km ny orin’asa no lasibatra voalohany. “Aminay mpiompy dia ny fanafody toy ny sofra misavovona ankalamanjana sy ny entona avoakan’ny orin’asa Ambatovy ary ireo entona mivoaka mamofona hafahafa avy amin’ireo toeram-pitrandrahaha an’ity orin’asa ity ihany no antony nahafaty sy nampandositra ny tantelinay”, hoy ny fanamarihan’ireo mpiompy tantely. Namafisin’izy ireo fa efa betsaka ny fanandramana nataon’izy ireo tamin’ny fitondrana renitantely vaovao avy any ivelan’ny faritra ary nompiana tany amin’iny faritra iny hatramin’ny taona 2008 hatramin’ny volana jona 2012, fa izay tonga tsy misy tamana avokoa.
Marihana fa tonga nanao fanazavana mikasika ny haretina “varroa’ i Jean Joseph Andriamananoro mpitarika ny fikambanana ADRE (Association du Developpement Rural et Environnemental). Araka ny fanadiadiana nataony dia ny tao amin’ny manodidina Manjakandrina sy Ranomafana ary Moramanga no nahitana fa ilay aretina entina lolo kely antsoina hoe “varroa” no namparary sy nahafaty ireo tantelin’ny mpiompy. Marihana fa niainga teto Antananarivo nanaraka ny lalam-pirenena faha-02 ary tonga tany Mahavelona Foulpointe, lalam-pirenena faha-05 no nanaovany ny fikarohana. VOalazan’ity vokam-pikarohana ity ihany koa fa ny tao Ambalateza sy Mahavelona Foulpointe ary Ambatolampikely dia mbola nahitana renin-tantely ; izany joe tsy nahitana ny haretina « Varroa ». Efa misy ny andrana natao nentina hamonoana ity “varroa” ity amin’ny “raokandro Malagasy”, efa misy ny vokatra azo nefa mbola tsy mahafa-po araka ny fanazavana nataon’i Jean Joseph Andriamananoro ihany. Hatreto dia mbola ny fanafody simika “Apistan” sy ny “Apivar” no ampiasaina. Efa misy kosa ny fanafody simika vaovao antsoina hoe “Apipro Prochimad”, ary hita ny vokatra nentiny eto amintsika araka ny andrana efa nataon’ity mpikaroka Malagasy ity ihany, izay nozaraina tamin’ireo mpiompy tantely tao Toamasina ihany koa nandritra io fivoriana io.
Na izany na tsy izany, mitotongana dia mitotongana amin’izao fotoana izao ny vokatra tantely any amin’ny faritra Antsinanana. Ho an’I Miary izay tompon’ny orin’asa VDM: “Verger De Madagascar”, dia nambarany fa nanana toho-tantely niisa 392 izy ireo nanomboka tamin’ny taona 2003. 3 taonina isaky maka ny vokatra azony tamin’ireo toho-tantely ireo. In-03 isan-taona izy ireo no manangom-bokatra. Nanomboka ny taona 2007 anefa dia tsy misy intsony izany, indrindra ho an’ireo toho-tantely napetraka tamin’ny manodidina an’Ambatovy, Tanandava hatrany Antananambo. “Efa ny 07 janoary 2008 sy ny volana janoary 2009 no nasaina naka ireo tantely maty nanaovana fikarohana ny tenako araka ny baikon’ny talen’ny fiompiana teto Toamasina izay mba hanaovana fitiliana any Ampandrianomby. Hatramin’izao anefa dia tsy re tsaika ary tsy hay ny valiny izany fitiliana izan ka mampanahy anay ihany fa mety tena misy ifandraisaina amin’ny haihainay amin’ireo entona sy vokatra simika misy ankalamanjana ao Ambatovy dia tsy sahy aparitaka”, hoy hatrany i Miary.
Marihana ihany koa fa nitondra fanazavana mikasika ny mety ho vokatry ny entona simika eo amin’ny tontolo iainan’ny tantely ny teknisianina avy amin’ny fiompiana any Toamasina nandritra ity fivoriana ity. “Raha mandavan-taona no miaina amin’ny vokatra simika ny tantely dia marary ary maty ny farany satria osa izy ireo. Na izany mahazaka vokatra simika famonoana biby kely hafa ny tantely, nefa tsy atao maharitra izany fa tsy zakany” hoy ny fanazavan’izany teknisianina izany.
Tsar any mampatsiahy fa ny taona 2009 no nisian’ny “varroa” voalohany teto amintsika, ka Analamanga, Vakinakaratra, Atsinanana ary Analanjorofo, no efa nahitana azy ity hatreto. Fantatra ihany koa fa miahiahy amin’ny mety ho fisian’ny fampidirana renitantely vahiny any amin’ny faritra misy azy ireo ny mpiompy tantely any amin’ny Faritra Anosy. Ny taona 1950 kosa no nahitana ny “varroa” voalohany maneran-tany, ny taona 1982 tany Frantsa, ary i Madagasikara ihany no ahitana ny aretin-tantely “varroa” aty afrika atsimon’ny Sahara, araka ny fanazavana ihany.
Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...
Lire la suite
Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...
Lire la suite
Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ... Lire la suite
Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...
Lire la suite
Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...
Lire la suite
Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...
Lire la suite
Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ... Lire la suite
Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ... Lire la suite
Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ... Lire la suite
Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ... Lire la suite
Visiteurs
612.386