26/11/2012
Nanjaka teto an-drenivohitra ny fakàna an-keriny teratany karana ny taona 2005. Nandrenesana ity asa ratsy ity hatrany isaka ny herinandro. Pika, Djaffar, Lama, Syeve, Mahandry ary Ndimby, ireo no anaran’ireo jiolahy fanta-daza tamin’izany fotoana ary nandripaka ireo teratany karana mpanefoefo teto toa ny talen’ny orinasa Caromad sy ny maro tsy voatanisa. Ankehitriny, mafana ny raharaha Remenabila sy ny asan-dahalo any Atsimo ary anisan’ny nitondra fanankianana mahery vaika tamin’ny fihetsika sy ny fomba amam-panaon’ny miaramila nanatanteraka ny “opération” Tandroka sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, Raharimalala Louisette.
Mihazakazaka izay tsy izy anefa ny toe-draharaha taorian’izany fanambarana nataony momba ny mpitondra amin’izao fotoana izany. Mitamberina ao anatin’ny ady hevitry ny mpitondra fanjakana ny zava-nitranga tany amin’ny taona 2005 tany. Resabe tamin’izany tokoa mantsy ny nanofan’ireo jiolahy mpanao kidnapping voalaza anarana tetsy ambony, ny tranon’i Louisette Raharimalala teny amin’iny Faritra Atsimondrano iny. Misy milaza mihitsy aza fa noho izany raharaha naha “voarohirohy” azy izany no antony nialany teto Madagasikara ka tsy niverenany an-tanindrazana raha tsy efa niala teo amin’ny fitondrana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Voalaza tamin’izany andro izany kosa fa nisandoka anarana sy karapanondro ireo jiolahy tamin’ny fotoana nanofan’izy ireo ny trano. Tsy nisy tafapetraka teto mihitsy moa ireo rehetra voarohirohy tamin’ireny kidnapping ny taona 2005 ireny; ohatra amin’izany ny mpiambina ny filoha teo aloha, Jean Marc Koumba, izay nampangaina no mpamatsy basy sy fitaovana an-dry Steve sy Mahandry.
Lasa misy fifandraisany ho azy tampoka teo araka izany ny raharaha Remenabila sy ny asan-dahalo any Atsimo ary ny tontolon’ny kidnapping tany amin’ny taona 2005, izay naha voatonontonona ny anaran’i Louisette Raharimalala, tompon’ny trano nieren’ireo andian-jiolahy gagilahy teto an-drenivohitra.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.185