26/11/2012
« Izahay no niangavy tamin’ny mpitondra fanjakana nandefa ireny miaramila nanao ny “opéeration” Tandroka ireny. Tsy maintsy mpitandro filaminana avy aty « ivelany » no nalefa nanao iny hetsika iny noho ny kolikoly avo lenta eo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana ary ny manampahefana any amin’iny Faritra misy anay iny. Tsara toerana hiresaka momba ny raharaha any Atsimo ny tenako amin’ny maha avy amin’ny foko Bara ny tenako. Manameloka marindrano ny fanambarana nataon’ny Amnesty International aho. Tsy misy « génocide » izany tany Atsimo; porofon’izany tsy misaona ny tenako satria tsy misy havako maty nandritra ny “opération” Tandroka. Ireo dahalo nanohitra tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika no lavon’ny mpitandro filaminana ; izay tsy nanohitra kosa nosamborina velona », hoy ny ministry ny Rano, Reboza Julien nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety.
Niteraka resabe tokoa ny fanambarana nataon’ny Amnesty International manodidina ny « opération » Tandroka, indrindra ny filazan’ity fikambanana iraisam-pirenena mpiahy ny zon’olombelona ity ny famonoana zaza tsy ampy taona sy kilemaina ary ny fandorana tanàna iray manolontolo nataon’ny mpitandro filaminana ka niantsoany fanadihadiana iraisam-pirenena sy ny hanolorana eo anatrehan’ny Fitsarana ireo manamboninahitra nitarika izany hetsika izany. Nanao tohy vakana ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo tomponandraikitra ambony toa ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien ary farany teo ny ministry ny Rano, Reboza Julien. Toa mifanohitra ihany anefa ny fanambarana re mikasika ity asan-dahalo tany Atsimo ity. Nolazaina tany am-boalohany fa vokatry ny fanondranana omby velona mankany ivelany no antom-pisian-dRemenabila. Voaporofo izao fa ny ministry ny Foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, no anisan’ireo ministra nanao sonia ilay didim-panjakana nanafoana ny fanondranana omby ary voalaza mazava tsara tao anatin’izany didim-panjakana izany fa omby 50.000 no nokasaina haondrana tamin’izany didim-panjakana navoakan’ny fitondrana Tetezamita izany. Nolavin’ny ministry ny Rano anefa io petra-kevitra novohizin’ny mpitondra fanjakana io, araka izao manaraka izao: “tsy resaka fanondranana omby mankany ivelany ny raharaha Remenabila fa asa fanakorontanana avo lenta. Kalachnikov mbola vaovao no ampiasan’ireo dahalon-dRemenabila; ny an’ny Tafika anefa kalachnikov efa roapolo taona. Efa renareo mpanao gazety angamba fa olona ambony sy manamboninahitra no mpamatsy fiadiana azy ireo”.
Ambadika politika
Nitondra ny fomba fijeriny mikasika iny fanambarana nataon’ny Amnesty International iny ny ministra Reboza ka nanambarany fa ny filatsahan-kofidian’ny filoha Andry Rajoelina mihitsy no tanjona ao ambadik’izao zavatra ataon’ny Amnesty izao. Hoy indrindra izy: “tsy maintsy mametra-pialana roa volana alohan’ny fifidianana ny filoha Rajoelina; izany hoe ny praiminisitra Omer Beriziky, ny filohan’ny CST ny jeneraly Dolin Rasolosoa ary ny filohan’ny CT, Mamy Rakotoarivelo no hitondra ny tany sy ny fanjakana. Dia hambara aorian’izany fa tena nisy “génocide” tokoa tany Atsimo mba ahafahana mamerina an-dRavalomanana Marc eo amin’ny fitondrana sy hisakanana ny filatsahan-kofidian’ny filoha Rajoelina. Koa heveriko fa tsy mendrika tokoa izao fihetsiky ny Amnesty International izao, manely vaovao tsy marina mampikorontana saim-bahoaka. Vonona hiantoka izay rehetra te hanamarina ny zava-misy any Atsimo ny tenako, hisorohana izao fiampangana tsy marim-pototra nataon’ny Amnesty International izao”.
Vaky tanteraka araka izany ny ady eo amin’ny mpitondra Tetezamita sy ny Amnesty International manodidina ity raharaha any Atsimo ity izay lasa fitaovana hifamotehana ara-politika ankehitriny. Na izany aza dia tokony hisy fanadihadiana avo lenta hisokatra ihany momba ireo mpitandro filaminana, olom-boafidy ary manampahefana voalazan’ny ministry ny Rano, Reboza Julien, fa mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo amin’ny fanaovana kolikoly any amin’iny Faritra Anosy iny. Mitodika any amin’ny Amnesty International ihany koa ny mason’ny mpanara-baovao. Tokony haneho porofo mazava tsara ny amin’ny fahamarinan’ny fanambarana izay nataony izy ireo. Tsy fantatra intsony mantsy izay manana ny marina; misalasala vokatr’izany rehetra izany ny vahoaka ary mety tsy hanana fikotisana intsony amin’ity fikambanana mpiahy ny zon’olombelona maneran-tany ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.963