Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Lohalaharana ireo mpilatsaka ho fidina

26/11/2012

Mahazo vahana tanteraka amin’izao enim-bolana mialoha ny fifidianana izao ireo hetsika mitodika mivantana amin’ny vahoaka. Manana tombon-dahany amin’izany ireo mpitondra ao anatin’izao tetezaamita izao, manomboka hatramin’ny filohan’ny tetezamita izay miroso amin’ny ftokanana zava-bita, raha tsy hitanisa afa-tsy izay nataony tamin’iny herinandro iny. Mazava loatra fa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izany rehetra izany izay voararan’ny lalam-pifidianana. Efa manomboka mifanipaka tanteraka amin’izao fotoana izao ny hevitry ny rehetra manoloana ny firosoana amin’ny fanatontosana ny fifidianana eto Madagasikara.

Ankoatry ny tsikera momba ny tsy fisian’ny fitoniana politika eto amin’ny firenena sy ny fanilihana ireo kandida heverina fa handresy ny kandidan’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana izao, dia isan’ny itoeran’ny fanankianana ihany koa amin’izao fotoana izao ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita sy ireo akaiky azy miampy ireo mpitarika antoko sasantsasany izay efaa ao anatin’ny fampielezan-kevitra tokoa amin’izao fotoana izao. Tamin’iny herinandro iny ohatra dia niroso tamin’ny fitokanana zava-bita samihafa ny fiadidiana ny tetezamita. Zava-bita izay mazava loatra fa nireharehan’ireto farany ary nambarany fa tamin’ny alalany no nahavitan’izany. Raha atao amin’ny teny tsotra dia efa fampielezan-kevitra an-kolaka ny fomba avokoa izany rehetra izany.
Ho an’ireo mpanao politika manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra ireo mpanohitra dia fanitsakitsahana ny lalàna sahady izao ataon’ny mpitondra ny tetezamita izao. “Ny fivangongon’ny fahefana eo am-pelan-tanan’ny fiadidiana ny tetezamita no mahatonga izany tsy fanarahan-dàlana izany”, hoy ny fanamarihan’i Raveloson Constant izay isan’ireo mpitarika ao an’ivon’ny firehena Ravalomanana. Nambarany far aha araka ny tokony ho izy dia ny fampandehanan-draharaha ankapobeny no notondroin’ny Tondrozotra ho andraikitry ny fitondrana tetezamita. Tsy mitombina arak’izany ny fisian’ireo fitokanana samihafa izay ataony amin’izao fotoana izao, ary matoa misy izany dia nisy ny tsy fanarahana ny voalazan’ny tondrozotra. Izany hoe nanao ny asa tsy tokony ho nataony ny fitondrana tetezamita. Mbola manaporofo izany ihany koa, araka ny nambaran’ity mpanao politika ity ihany, ny fanomezana teti-bola ambony dia ambony ny fiadidiana ny tetezamita.
Isan’ireo manakiana mafy izao fihetsiky ny mpitondra amin’izao tetezamita izao ihany koa ny filohan’ny antoko Matsilo, Ranjovason Jean Théodore. Ity farany izay isan’ireo voatondro ho nanohana akaiky ny fanakorontanana nitondrana an-dRajoelina eo amin’izao tetezamita izao. Ho an’ity mpanao politika ity dia hanasarotra ny firosoana amin’ny famahana ny krizy ny fanaovan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Iaraha-mahalala hoy izy, fa mety hanao fanambarana momba ny ho tohin’ny fanelanelanana nataony amin’ny famoahana an’I Madagasikara amin’ny krizy ny SADC amin’ny fiandohan’ny volana desambra izao. Nye to an-toerana anefa dia azo lazaina fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny zava-drehetra, araka ny faahitan’ity mpanao politika ity ihany. Mbola ho sarotra noho izay efa natao teo aloha arak’izany ny firosoana amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara, hoy ihany ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra ity. Nambarany ihanykoa fa izao fihetsiky ny fitondrana tetezamita izao no efa nanakianana ny mpitondra teo aloha sy ny mpitondra hatrizay teto amin’ny firenena kanefa dia mbola izay ihany no ataon’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana izao.
Tsara ny manamarika fa mametram-panontaniana manoloana ny fisian’ny mizana tsindrin’ila eo amin’ny fazoan-dàlana hanao hetsika eto Antananarivo ny maro amin’izao fotoana izao. Ny fanafohanana ny hetsika izay nokarakarain’ny antoko “Vitantsika io”, tarihan’i Raharimanana Patrick, sy ny famelana malalaka ny hetsika hataon’ny antoko MTS tarihan’I Roland Ratsiraka no anton’izany fanakianana izany. Samy heverin’ny mpanara-baovao ho fampielezan-kevitra amin’ny endriny ankolaka avokoa ireo hetsika ireo, tahaka ny efa ataon’ny filohan’ny tetezamita amin’izao fotoana izao ihany koa. Nosotasotaina tamin’ny alalan’ny fanafohanana izany anefa ny hetsika nataon’ny antoko “Vitantsika io”. Fihetsika izay mampiseho mazava tsara ny tsy fazakan’ny mpitondra tetezamita ny fifaninanana malalaka sy ny fampanjakana ny tena ivoahan’ny safidim-bahoaka marina tokoa amin’izao fifidianana izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...