27/11/2012
Mety tsy ho isan’ireo antoko politika hanatevin-daharana ny vondrona UDR-C, izay mpomba ny fitondra Rajoelina, intsony ve ny antoko Matsilo tarihin-dRanjivason Jean Théodore? Izay no fanontaniana mipetraka avy hatrany raha vao nanaraka tsara ny fivoaran’ny fanambarana nataon’ity antoko ity tato anatin’ny fotoana vitsivitsy lasa izay. Hita taratra mantsy fa manomboka manakiana ny fitondrana Rajoelina ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity andro vitsy lasa izay. Ranjivason Jean Théodore, filoha mpitarika ny antoko Matsilo dia nilaza fa “mamerina ny fomba fanaon’ny fanjakana teo aloha ny fitondrana amin’izao fotoana izao”.
Tsy misy, hoy izy, ny taratry ny fanovana izay nitolomana tamin’ny 2009 fa ny fomba ratsin’ny mpitondra teo aloha ihany no mbola haverin’ny mpitondra ankehitriny. Izany fanambarana izany no nahatsapan’ny mpanara-baovao fa manakiana mafy ny fitondrana ankehitriny ny antoko Matsilo izay mpikambana ao amin’ny UDR-C. Fomba tsy fahita firy nandritra ny krizy teto amin’ny firenena raha mbola nanaran-drenirano ny mpitondra fotsiny ny antoko teo aloha. Ankehitriny, mahatsapa ny antoko Matsilo fa tsy mety ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ka mila fandraisana andraikitra. Mipetraka aza ny fanontaniana manao hoe: hiala ao amin’ny vondrona UDR-C ary ve izany ny antoko Matsilo tarihin-dRanjivason Jean Théodore raha nanamafy tosika izany vondrona izany nanomboka ny taona 2009? Fantatra mantsy fa tsy hifanaraka velively amin’ny amin’ny hevitry ny vondrona UDR-C velively izao fanakianana ataon’ny antoko Matsilo izao.
Tazana ihany koa ny mpikambana Matsilo maromaro nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarain’ny FFKM ny Alahady teo tetsy Antanimena. Io antoko io irery ihany no mpikambana teo anivon’ny UDR-C namonjy ny fotoam-pivavavahana. Raha ny antoko hafa aza tsy voasolon-tena akory. Azo heverina ho tena fiantombohan’ny fisarahan’ny antoko Matsilo amin’ny vondrona UDR-C izao fihetsika nataonny izao. Ny antoko Matsilo rahateo nanambara fa momba ny fanelanelanana tarihin’ny FFKM raha tsy Mankato izany kosa ny vondrona UDR-C. Miseho lany araka izany ny tsy fitovian-kevitra izay mety hitarika hatramin’ny fisarahana mintsy eo amin’ny roa tonta.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.181