Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Kolonely iray notànana am-ponja

27/11/2012

Natolotra ny Fampanoavana tany Betroka omaly ny kolonely Andriamasimalala Marie ary notànana am-ponja vonjy maika. Voampanga ho nampiasa herisetra sy naka vola taman’olona nandritra ny “opération” Tandroka tany Atsimo ity manamboninahitra ity araka ny vaovao azo. Sady mandiso no manamafy ny voalazan’ny Amnesty International izao zava-misy izao. Voalohany, voaporofo izany izao fa tsy mijery tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna ny mpitandro filaminana ka na ny “olony” aza natao famotorana sy natolotra ny Fitsarana rehefa nandika ny fitsipika sy ny lalàna. Faharoa, manaporofo ihany koa ity tranga ity fa nisy ny fihoaram-pefy niharo fanararaotana teo amin’ireo manamboninahitra sasan-tsasany nandritra iny hetsika natao hiadiana amin’ny asan-dahalo iny.

Mbola resabe hatramin’izao moa ny fanambarana nataon’ny Amnesty International. Karazan’ny efa voavaly ihany ve izany ny fangatahan’izy ireo hanolorana eo anatrehan’ny Fitsarana ireo manamboninahitra nitarika iny hetsika iny?
Masoivoho
Fantatra ihany koa izao fa hisy fihaonana izay hatao eny Mahazoarivo, hitondrana fanazavana bebe kokoa ho an’ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika, manodidina ny “opération” Tandroka iny. Mazava araka izany fa nampikorontana ny fitondrana mihitsy ny fanakianana nataon’ireo mpanao politika, indrindra ny fanambaran’ny Amnesty International. Fanontaniana mipetraka amin’io fihaonana hatao eny Mahazoarivo io ny hoe: “ho avy hanatrika izany ve ry zareo Amerikana izay tena sarotiny tokoa amin’ity resaka zon’olombelona sy ny demôkrasia ity? Haharesy lahatra ireo masoivoho vahiny eto amintsika ihany koa ve izay porofo ho entin’ny governemanta? Isan’ny miantoka sy manohana ny asa nataon’ireo mpitandro filaminana sy ny Foloalindahy nandritra ny “opération” Tandroka àry ve izany ny praiminisitra Omer Beriziky?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...