Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mirongatra ny herisetra mahazo ny renim-pianankaviana

27/11/2012

Nitombo izay tsy izy amin’izao fotoana izao ny isan’ny renim-pianankaviana mitaraina nohon’ny herisetra manjo azy ao an’ivon’ny tokan-tranony. Izay no fanamarihana nataon’ny fikambanana Babeo, fikambanana izay mmpiantsehatra eo amin’ny fihainoana sy ny fanampiana ara-kevitra ireo vehivavy izay iharan’ny herisetra.

Nambaran’ny tatitra nataon’ity fikambanana ity fa mahatratra 50 isam-bolana ny fitarainana voaray eny amin’ireo birao izay tantanan’izy ireo eto amintsika mikasika ity herisetra manjo ny renim-pianankaviana ity. Misy karazany maro izany herisetra izany araka ny nambarany: isan’izany ny herisetra ara-pananahana sy ny herisetra ara-bola ary ny herisetra ara-tsaina. Tsy vitsy amin’ireo renim-pianankaviana arak’izany no iharan’ny fampirafesana sy ny fanaovanaa an-keriny. Ao ihany koa anefa ireo tsy homen’ny vadiny vola araka ny tokony ho izy mba ahafahany mamelona ny tokaa-tanony. Mbola isan’ny manjo ny vehivavy renim-pianankaviana maro ihany koa ny vono sy ny daroka ataon’ny raim-pianankaviana. Santionany amin’ireo tranga izay mampitaraina ireo renim-pianankaviana maro ireo notanisaina ireo.
Mazava loatra fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-pianankaviana sy ny fiainam-piaraha-monina izany rehetra izany, araka ny faanamarihan’ny fikambanana BABEO ihany. Saingy isan’ny goavana indrindra amin’izany ny fahavoazan’ny fanabeazana ireo ankizy. Nambaran’ity fikambanana ity fa mitotongana izay tsy izy amin’izao fotoana izao izany fanabeazana ny ankizy izany vokatry ny herisetra manjo ny renim-pianankaviana.
Marihana fa tsy manana afa-tsy ivo-toerana 14 misahana ny fihainoana sy ny fanampiana ireo Renim-pianankaviana iharan’ny herisetra toy izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny mponina. Mazava loatra fa tsy masahaana ny fahamaroan’ireo tranga izay misy amin’izao fotoana izao eto amintsika izany.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...