27/11/2012
Nameraka ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy ahatanterahan’ny fifidianana izay kasaina hatao eto amin’ny firenena amin’ny taona ho avy ny mpitondra tenin’ny Filoha teo aloha. Nambarany mazava fa tsy ho tanteraka araka ny tokony ho izy, ary tsy hanan-danja ny fifidianana raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nambarany ihany koa fa miankina amin’ny fifanarahana politika eto amintsika no ahafahan’ny filoha teo aloha mody an-tanindrazana.
Ho tanteraka sa tsia ny fifidianana izay kasaina hatao eto Madagasikara amin’ny taona ho avy? Fanontaniana apetraky ny rehetra izany manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Raha ho an’ny fitondrana tetezamita manokana dia tsy misy isalasalana ny tsy maintsy ahatanterahan’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Tsy izany kosa ny fahitan’ny mpanohitra. Araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny filoha teo aloha izay nanamarika fa² tsy mbola azo antoka hatramin’izao ny hisian’ny fifidianana amin’io taona ho avy io. Lafin-javatra vitsivitsy no nanaporofoany izany. Voalohany amin’ireny ny fanakanana ny filoha teo aloha tsy hiverina an-tanindrazana izay midika avy hatrany fa tsy mbola mipetraka ny fitoniana eto amin’ny firenena. Ny fitoniana anefa no antoka voalohany sady lehibe indrindra tsy hisian’ny fanakianana ny fifidianana ka hidiran’ny firenena indray amin’ny krizy vaovao, araka ny fanazavana avy amin’i Guy Rivo Randianarisoa mpitondra tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Nambarany ihany koa fa tsy fifidianana mifanaraka amin’ny fandaharam-potoana ara-dàlana no hatao eto amin’ny firenena fa fifidianana nateraky ny krizy vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’ny mpiotondra amin’izao fotoana izao. Mazava arak’izany fa tsy misy afa-tsy ny fahafahan’ny rehetra milatsaka amin’izany fifidianana izany no ahafahana mandamika araka ny tokony ho izy ny fiainam-pirenena.
Eo anatrehan’izany mbola tsy fisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena izany dia nilaza ny mpitondra tenin’ny Filoha teo aloha fa tsy voatery ho tazonina ny datim-pifidianana izay efa nofaritan’ny CENIT miaraka amin’ny solontenan’ny fianankavimbe iraisam-pirenena. Nambarany fa ny fifanarahanaa politika no tokony hamaritra mazava tsara ny fahafahan’ny firenena miroso amin’izay fifidianana izay.
Marihana fa nitondra fanazavana mikasika ny fanampahan-kevitry ny fitsarana any Afrika Atsimo nohon’ny fitorian’ny AV7 ny filoha teo aloha ihany koa ny mpitondra teny Guy Rivo Randrianarisoa. Fanampahan-kevitra izay mandidy ny filoha teo aloha tsy hahazo miala an’i Afrika atsimo ary ny fihazonana ny taratasy ahafahany manao izany. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny filoha teo aloha fa miankina ny amin’ny fifanarahana politika izany. Hatreto hoy izy, dia tsy azo iadian-kevitra ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nohon’ny fisian’ny tondrozotra izay mamaritra izany. Nambarany ihany koa fa eo am-pelan-tanan’ny filoha teo aloha soamantsara ny “passeport”ny ary afaka mivezivezy malalaka ao Anfrika Atsimo ity farany ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.802