28/11/2012
Velona indray ny ady tany etsy amin’ny faritra 67ha avaratra atsinanana. Manana olàna amin’ireo mponina eny manodidina ankehitriny ny orinasam-pajnjakana Seimad mahakasika ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena iray eo amin’ny faritra. Mapiaka-peo ny mponina eny amin’ny faritra 67 ha ankehitriny manoloana ny fihetsiky ny orinasa Seimad. Kasaina ity farany hanaovana amboletra mantsy ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena etsy 67 ha avaratra atsinanana, misy kianja filomanosana sy kianjana tenisy.
Efa am-polo-taonany maro, nanomboka ny taona 1976, no nampiasan’ny mponina eny amin’ny manodidina an’ireo kianja filalaovana ireo saingy kasain’ny orinasa Seimad horavaina ankehitriny. Araka ny voalaza moa dia hanamboaran’ny orinasa Seimad ny tranon’ny foibeny no anton’ny fikasana fandravana. Misakana izany tanteraka anefa ny mponina eny amin’ny manodidina ka milaza ny vonona ny hifampitàna amin’ny orinasa amin’izay rehetra endrika sy fomba ahafahan’izy ireo miaro izany foto-drafitr’asa izany.
Efa nisy ny endrika amboletra nataon’ny mpitarika ny Seimad ny herinandro lasa teo mba entina hanakiviana ireo mponina manodidina. Saingy ireto farany dia tsy nilefitra velively. “Efa tonga teto ny tale jeneralin’ny Seimad sy mpikambana maromaro tao amin’ny fiadidiana ka nanao teny mahery taminay teto ary nandrava ny ilan’ny tamboho fa tsy nanaiky ny mponina” hoy Rajoharison Félix, solotenan’ny mponina teny amin’ny faritra. “Voararan’ny lalàna manan-kery (loi 97-014 du 04 août 1997) ny fandravàna toeram-pilalaovana toy izao” hoy ihany ity farany. Niniha tsy mahalala izany lalàna izany moa ny orinasa Seimad ka mbola manohy ny asa famoretana kasainy atao ihany. Araka ny voalaza mantsy dia mikasa ny hitondra mpitandro filaminana mihintsy ny orinasa Seimad mba hanatanteraka ny fandravana ny foto-drafitr’asa. Tsy hihemotra ny amin’izany ny mponina raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy 67 ha. Mety hisy araka izany ny fifandonana eo amin’ny roa tonta satria dia hamory ny mponina eny amin’ny manodidina ny tanora raha misy izany fikasan’ny orinasa izany.
Efa nisy ihany ny fikasàna handrava ireo foto-drafitr’asa ireo nandritra ny fitondrana nifanesy teo aloha saingy tsy nisy tontosa izany vokatry ny fandavàn’ny mponina teny amin’ny 67ha. Tamin’ny 2005 aza moa dia efa namidin’ny orinasa Seimad tamin’ny teratany Karana iray ny toerana saingy very maina ity farany vokatry ny fandavàn’ny mponina. Marihina moa fa tsy mbola nandany ariary teo amin’ity toerana ity mintsy ny orinasa Seimad hatramin’izay na dia misoratra amin’ny anarany aza ny taratasin’ny tany. Ny oniversiten’Antananarivo no nandany ny vola rehetra tamin’ny fananganana ny foto-drafitr’asa teo an-toerana, ka ny mpiasan’ny oniversite no nintantana izay taty aoriana. Lasa ny mponina teny amin’ny manodidina moa no tena nitantana ny kianja filalaovana, sy nikolokolo izany nandritra ny fotoana maro rehefa niala tanteraka ny oniversite vokatry ny tsy fananany vola intsony.
Ny orinasa Seimad moa dia tantan-dRaharison Liva, mpikambana feno ao amin’ny antoko AVI, tarihin-dRatsirahonana Norbert Lala. Io tale jeneraly vaovaon’ny orinasa Seimad io moa dia efa talen’ny kabinetran’ny Hajo Andrianainarivelo tao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Voalaza fa tena avo vava tamin’ireo mponina tokoa moa I Raharison Liva tamin’ny fahatongavany teny 67 ha andro vitsivitsy lasa izay.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.188