Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Manohitra ny saran-dalàna 400 ariary

28/11/2012

Ny filohan’ny VOndron’Olona Miaro ny Zon’ny Mpanjifa, Rasolofosaonina Ratsimbazafy Eugène dia nanindry fa ny zavatra tapaka tamin’ny fihaonana teo amin’ny mpiandraikitra ny UCTU sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, dia manisy fanavakavahana eo amin’ny samy mpanjifa, nefa olona samy sahirana izao ihany. Fantatra manko tamin’izany fihaonana izany fa 300 ariary ny saran-dàlana hoan ‘ny mpianatra, ny zokiolona ary ny mpiasan’ny orinasa afakaba. Izany anefa dia tsy vaha-olana, hoan’ity filohan’ny VOMZM ity.

“I Andry Rajoelina tompoko dia tsy mandeha taxi-be ka tsy mahalala tsara any tena mianjady amin’ny mpanjifa rehefa mandoa ny saran-dàlana 400 ariary izy ireo. Tsy tokony hasiana fanavakavahana eo amin’ny samy mpanjifa fa tokony hitovy avokoa ny fepetra hampiarina. Noho izany, toherinay hatramin’ny farany izany fanapaha-kevitra izany ary tsy ekenay ny saran-dàlana 400 ariary fa sahirana ny mpanjifa”. Marihina fa notsindrian’ity farany fa ny zavatra ataon’ny UCTU dia mamono ny vahoaka fa tsy hanasoa azy velively. Hisy, noho izany, fangatahana fihaonana amin’ny filoha Andry Rajoelina mba hitadiavana izay mety ho vahaolana. Nametraka izany fangatahana fihaonana izany moa ireto farany androany ka handefa solon-tena 5 avy amin’ny vondrona ary mpanjifa eo amin’ny 15 eo ho eo, araka ny resaka nifanaovana tanim’ity filohan’ny VOMZM ity.
Raha toa ka tsy tanteraka izany fihaonana amin’ny filohan’ny tetazamita dia hanao hetsika ny VOMZM, hanairana ny mpitondra fanjakana amin’ny fijalian’ny vahoaka noho ny tsy fahaiza-mintatana ataon’ireto farany ireto. “Hametraka [banderole] isaky ny [arrêt] milaza ny tsy fanekenay mpanjifa ny saran-dàlana 400 ariary no hetsika voalohany. Efa gorgora ny fanjakana amin’ny fitondrana vaha-olana hoan’ny firenena ary ny ataon’ny UCTU etsy an-daniny dia momono ny vahoaka fa tsy manasoa azy akory”. Ny antony hanaovan’ireto farany hetsika mafy dia mafy toy izao moa, dia noho ny halafon’ny vidim-piainana ka tsy ahafahan’ny mpanjifa mandoa izany saran-dalana 400 ariary izany. “Mety manontany tena angamba ianareo hoe maninona izahay mpiaro ny zon’ny mpanjifa no tsy dia ahita-teny firy raha tsy amin’ny resaka saran-dalana toy izao. Ny antony dia tsotra, ao amin’io no mifehy ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny lafiny rehetra. Ny vary, ny menaka ary ny maro hafa ihany koa, ka noho izany, raha tsy misy ny fihaonana amin’i Andry Rajoelina dia hanohy ny tolona izay natombokay izahay”. Ireto farany moa dia mistipaka tanteraka ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita ny hampiditra fiara (hafarana avy any Chine) eto amintsika satria ireo dia hoan’ny fitanterana an-drenivohitra ihany aloha no tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filohan’ny tetezamita izay nataony niaraka tamin’ny mpitatitra avy ao amin’ny UCTU.

Racl.R
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...