01/12/2012
Tsy misy andro tsy andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, tato ho ato, teto an-drenivohitra. Mpiasan’ny Baky Foibe monina eny Nanisana no lasibatr’izany omaly alina. Jiolahy miisa 7 no nanafika izany mpiasa izay ary nitifitra azy sy ny mpiasany. Marihina fa isan’ny mpitarika grevy tao amin’ny Banky Foibe ity voatifitra ity. Jiolahy miisa fito, misaro-tava ny iray ary tsy misaro-tava ny enina, nitondra basy Kalachnicov izy ireo. Ireo no nanafika ny fianankaviana iray tetsy Nanisana omaly alina tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany alina.
Mpiasan’ny Banky Foibe ilay raim-pianankaviana tao amin’ity toka-trano ity ary isan’ireo mpitari-tolona nafana fo nandritra ireny fitokonana tao amin’ity Banky Foiben’I Madagasikara ity ny tenany. Notifirin’ireto jiolahy ireto ny mpanampy lehilahy iray tao amin’izany tokantrano izany. Ity farany izay nanao izay ho afany tamin’ny fanakanana ny varavarana tsy ho voavahan’ireo jiolahy. Notifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy ihany koa ilay raim-pianankaviana, izany hoe ilay mpiasan’ny Baky Foibe rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo.
Marihina fa mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao i Bernard, izay tsy iza fa ilay raim-pianankaviana sady mpiasan’ny Banky Foibe, nohon’ny ratra nahazo azy tamin’ny tifitra nataon’ireto jiolahy ireto. Torak’izany koa ilay mpiasa an-tranon’izy ireo izay naratra mafy ihany koa vokatry ny tifitra nahazo azy.
Ny loharanom-baovao ihany koa no nilaza fa nisy lanonam-pianankavianaa tao amin’ity tokantrano ity tamin’io andro nitrangan’ny fanafihana io.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.146