01/12/2012
Isan’ireo naneho ny heviny manoloana ny fitakian’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila mikasika ny hetsika “tandroka” natao tany atsimo ny sekretera jeneralin’ny Fikambanana “Justice et paix”, Mompera Alain Thierry Raharison. Nambaran’ity mpitondra fivavahana ity fa antoka iray ahafahana miroso amin’ny fitoniana eto amin’ny firenena ny fahavitan’izany fanadihadiana izany. Nokianiny kosa anefa ny filazana fa tsy mahafantatra ny zava-misy any ifotony ny Amnesty International.
Tsy mitombina ny filazan’ireo manamboninahitra Malagasy izay nilaza tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo fa tsy mahita ny zava-misy marina any ifotony mikasika ny hetsika manokana “tandroka” izay ataon’ny miaramila any atsimo ny Amnesty International, raha araka ny fanamarihana nataon’i Mompera Alain Thierry Raharison, Sekretera jeneralin’ny fikambanana “justice et paix”. Mahagaga tokoa ny tsy nahatsapan’ireo manamboninahitra Malagasy ireo ny fisian’ny rantsamangaika sy loharanom-baovao mari-pototra mifandray mivantana amin’izany fikambanana iraisam-pirenena izany. LOharanom-baovao izay mielim-patrana manerana ny nosy ary mahita mivantana sy mahita betsaka lavitra noho izay hitan’ireo lehiben’ny Foloalin-dahy izay mionona fotsiny amin’ny tatitra alefan’ireo miaramila any an-toerana.
Aza adino, hoy i Mompera Alain Thierry Raharison, fa mifandray mivantana amin’ny masoivohon’I Etazonia eto Madagasikara ny Amnesty International. Izany hoe mahazo vaovao azo antoka amin’izany masoivoho izany sy avy amin’ireo sampan-draharaha mifandray aminy, toy ny UNICEF, ny CAIRE international, ny CRS, ny PAM, ny Peace Corps, ny WWF, ny Conservation International sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa. Ireto farany izay saika manana olona any amin’ireo faritra hanaovan’ny miaramila Opération tandroka avokoa, ary tsy isalasalana fa manao tatitra an-tsary sy an-tsoratra ary fijoroana vavolombelona ny zava-misy any amin’izany faritra izany avokoa. Tsy isalasalana arak’izany fa ny vahiny, toy ny Amnesty International, no tena mahazo vaovao azo antoka indrindra mikasika iny raharaha nitranga tany atsimo iny. Azo lazaina arak’izany fa mitombina ny fanambaran’izy ireo ary tsy azo tsinontsinoavina.
Izay fahatsapana izay ihany koa no hanatonga ny sekretera jeneralin’ny “justice et paix” hilaza fa ilaina ary tsy azo iodivirana ny fanatanterahana ilay fanadihadiana manokana ary tsy mitanila izay notakian’ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Ilaina, hoy izy, satria io no iray amin’ireo lalana ahatongavana amin’ny fitoniana izay kasaina hapetraka eto amin’ny firenena. Ny tsy fisian’ny fanadihadiana azo antoka mikasika iny zava-nitranga iny no mahatonga ny fifanalam-baraka amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao misy amin’izao fotoana izao, hoy ihany i Mompera Alain Thierry. Koa raha misy ny fanadihadiana azo itokisana dia hijanona avy hatrany ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanaratsiana amin’ny andaniny sy ny an-kilany.
Etsy an-danin’izany anefa dia tokony hananjo feno hotondra fanazavana amin’izay mety ho fanaratsiana azy ihany koa ny mpitandro filaminana, raha misy izany. Izany hoe afaka manao tatitra manazava ny tranga rehetra niseho nandritra ny hetsika “Tandroka” izy ireo, hoy ny fanazavany.
Farany dia nambaran’i Mompera Alain Thierry Raharison ihany koa fa azo itarina amin’ireo sehatra hafa ihany koa ity fanadihadiana manokana sy tsy mitanila hataon’ny fianankaviambe. Isan’ny tokony hanaovana izany ny raharaha fitrandrahana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny “bois de rose”. Izany dia mba hialana amin’ny fanampenam-bava sy ny fanagadrana ireo izay sahy manome ny vaovao azony momba ity raharaha ity. Marihana fa niteny tamin’ny alalan’ny tenany manokana ny Sekretera jeneralin’ny fikambanana “justice et paix”, raha nanego izany heviny izany ny tenany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.195