Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nanamafy ny fisian’ny fandorana tanana

01/12/2012

Mitatitra ireo fijoroana vavolombelona mahakasika ny habibiana nataon’ireo miaramila nanao ilay hetsikamanokana “Tandroka” tany amin’ny faritra atsimo ny profesora Elimbiraza Mandridake, mpampianatra ao amin’ny onivesiten’i Toliary. Namafisin’ity tompon’andraikitra ity tamin’ny alalan’izany fanambarana izany fa tena nisy tokoa ny fanapotehana fananan’olona sy fandorana tanana tao anatin’izany hetsika manokana izany. Manao antso avo mba hampitsaharana izany habibiana izany ny profesora Elimbiraza Mandridake.

Tranga maromaro no nentin’ity mpampianatra sady tera-tany avy any atsimo ity naneho ny fisian’ny fihoaram-pefy nataon’ireo mpitandro filaminana nandritra ny hetsika “Tandroka” tany atsimo. Isan’izany ny nitranga tao amin’ny Fokontany Morafeno, Miary Omby, Ambalabe, ary Asely ao amin’ny kaomina ambanivohitra Mahabo ny 18 sy ny 21 oktobra 2012. Nodorana ireo tanana ireo sy ny vokatry ny mponina ary ny fananany. Nisy tranga toy izany ihany koa tao amin’ny Fokontany Manombo sy Morarano, tao amin’ny kaomina ambanivohitra Analamary ny 16 octobre. Notondroina ho mpiray tsikombakomba tamin-dRemenabila ireo vatan-dehilahy tao amin’ireo tanana ireo. Vokany : nodarohana sy nopotehina ny fananan’izy ireo. Isan’ny niharan’ny habibian’ireo mpitandro filaminana ihany koa ny tao amin’ny Fokontany Voromiantsa, kaomina Ivahona tamin’ny faran’ny volana septembra . Nopotehin’ny mpitandro filaminana ny tanana, araka ny tatitra nataon’ny ben’ny tanana tany an-toerana ny 6 oktobra lasa teo. Potoka niaraka tamin’izany ihany koa ny bokin’ombin’ny mponina taimin’izany tanana izany. Lasibatra ihany koa ny tao amin’ny Fokontany Ankilimary, kaomina ambanivohitra Ianakafy, tamin’ny fahatongavan’ireo miaramila ny 8 oktobra 2012. Noteren’ireto farany hanome azy ireo ny fananana lafo vidy rehetra tany amin’izy ireo ny fokonolona. Omby miisa 307 no nentin’ireo mpitandro filaminana niverina tany Betroka taorian’io fidinana tao amin’io tanana io, ary tsy tafaverina tamin’ny tompony ireo omby ireo raha tsy nanome vola be ny mpitandro filaminana izy ireo. Nisy tamin’ireo omby ireo anefa no maty novonoin’ny mpitandro filaminana.
Nambaran’i Profesora Elimbiraza tamin’ny fanambarana nataony ihany koa fa nampiasa hery tsy ara-drariny ireo mpitandro filaminana araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina tany amin’izany faritra izany. Misy hoy izy ny tatitra nataon’ireo mponina, ary efa natolotra ireo manampahefana teny anivon’ny distrika any an-toerana izany fitarainana izany.
Niantso ny vahoaka tsy an-kanavaka hijoro sy hanampy an’ireo havana any atsimo vokatr’ity zava-manjo azy ireo ity profesora ity, ary niantso ihany koa ireo mponina any atsimo mba tsy hatahotra ny hijoro vavolombelona amin’ireo zava-nitranga marina tany amin’iny faritra iny

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...