Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

“Meloka nohon’ny fifanarahan’i Cotunou i Rajoelina”

03/12/2012

Nandritra ny fitsidiam-paritra nataony tany amin’ny renivohitry ny Faritra Antsinanana no nanambaran’ny filohan’ny antoko Harena ny heviny mikasika ny fizotran’ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Naneho ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy ahatomombana ara-demokratika an’io fifidianana io i Lezava Fleury. Nokianiny ihany koa ny fomba fiasan’ity fitondrana tetezamita ity izay mamoaka làlana kanefa tsy mampihantra izany làlana izany akory. Ampy dia ampy ny enim-bolana izay nofaritan’ny teknisianina Malagasy sy ireo avy amin’ny Firenena mikambana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana,

raha araka ny fahitan’ny filohan’ny antoko Harena, Lezava Fleury. Ity farany izay nitsidika ny renivohitry ny Faritra Antsinanana ny faran’ny herinandro teo. Fitsidihina izay mifandray amin’ny fanamafisana ny fijoroan’izany fikambanana izany tany amin’iny faritra iny. Na dia ampy toy izany aza anefa ny fotoana fanomanana ny fifidianana dia tsy azo antoka ny aha-demokratika azy, raha araka ny fanambaran’i Lezava Fleury ihany. “Raha ho anay Harena dia ampy tsara ny valo volana hikarakarana ny fifidianana, araka ny tapaky ny mpanao politika sy ny firenena mikambana ary ny vondrona iraisam-pirenena. Manahy anefa izahay raha izao zava-misy izao, indrindra ny tsy filaminana sy ny tsy fisian’ny vola ary ny fomba entina hanomanana ny fifidinana misy ankehitriny, dia tsy ho tontosa ara-demokratika sy araka ny lalàna ary ho eken’ny rehetra ny fifidianana hitranga eo”, hoy ny fanazavana nataony teo anatrehan’ireo mpanao gazety izay nihaona tanimy. Araka ny fanazavan’ity mpitarika antoko ity dia mila vola, mila fahamatorana, ary mila filaminana, ny fanomanana izany fifidianana izany. Tsy mbola hita taratra anefa ireo fotoana hanomanana ny fifidianana eto amintsika izao.
Nokianin’I Lezava Fleury ihany koa ny fiasan’izao Tetezamita izao izay mamoaka lalana kanefa tsy mamoaka didy fampiharana izany lalana izany akory. “Isany olana goavana sedrain’ny antoko politika ny mbola tsy fisian’ny didy fampiharana amin’ireo lalana hifehezana ny fifidianana, nefa efa enim-bolana sisa. Lesoka goavan’ny fitondrana tetezamita rahateo ity fandraisana lalana nefa tsy arahana didy fampiharana ity”, hoy ny fanazavana avy amin’ity mpanao politika ity.
Mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita, dia mazava ny hevitry ny antoko Harena: “Ampiharo ny làlana dia tsy misy ny olana, ny filoha teo aloha voaheloky ny fitsarana, ny filohan’ny tetezamita mpanongam-panjakana helohan’ny fifanarahan’I Cotonou nankatoavin’ny fanjakana Malagasy, dia milamina io. Raha tsy izany, hapetraho ny famotsoran-keloka araka ny fifanarahan’ny samy mpanao politika, dia avelao hirotsaka izay te-ho kandidà, ary anjaran’ny vahoaka no misafidy izay tiany”; satria raha mbola mitohy izao sakatsakan’ny samy “meloka”, sy ny “famonaoana olona faobe nefa dahalo iray no hifampitadiavana sy henjehina any atsimo” izao, dia “manahy izahay Harena fa hihitatra ho roa taona indray ity tetezamita ity”.
Marihina fa lafin-javatra telo no fototra iorenan’ny antoko Harena araka ny fanazavan’ity mpanao politika ity ihany. Tsy inona izany fa ny “fanjakana manakaiky vahoaka sy miainga avy eny ifotony; fanjakana repoblikana izay mampitovy ny Malagasy rehetra amin’ny zo sy andraikitra ary ny lalàna; ary fanjakana firenena izay miantoka ny firaisan-kinan’ny samy Malagasy ao anatin’ny fanajana ny fomban-tany sy ny fomba ny hafa”. Efa miparitaka amina distrika miisa efapolo manerana ny Nosy ny sampan’ny antoko Harena. Eo am-pananganana izany kosa ireo distrika hafa.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...