Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Tsy voambolana demokratika ny ni…ni »

03/12/2012

Nanamafy ny finiavany hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay kasaina hatao amin’ny taona ho avy eto Madagasikara ny filoha teo aloha, nandritra ny fidirany an-telefaonina mivantana tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Tamin’izany ihany koa no nanambarany tamin’ireo mpomba azy fa fanitsakitsahana ny demokrasia ny fivoizana ny hoe « ni…ni » amin’io fifidianana io. « Tsy manaiky izany hoe ni.. ni izany isika. Ho anareo mpikabary na mpandahanteny dia samia milaza ho ren-tany sy ho ren-danittra fa tsy ao anaty voambolana demokrasia izany ni…ni izany. Lazao hoy an’izay olona milaza izany fa tsy ilaina ho henoin’ny olona akory izany satria tsy ao anaty demokrasia.

Ny zavatra tiana horesahina ary tokony ho fantatry ny vahoaka dia izao, omena ny vahoaka ny safidy malalaka, mangarahara dia eken’ny rehetra ny fomba fifidianana”, hoy ny fanazavan-dRavalomanana.
Nandritra ity fidirany tao amin’ny fivoriana fanaon’ny ankolafy Ravalomanana isan-kerinandro ity ihany koa no nanambaran’ny filoha teo aloha fa mety hanam-baovao ho lazaina amin’ireo mpanaraka azy ny tenany amin’izao herinandro izao. Nambarany fa tsy mitsahatra ny miasa sy mifampidinika amin’ny sehatra rehetra ny tenany any amin’ny misy azy any. Arak’izany dia niantso ireo mpomba azy mba hanam-paharetany ny filoha teo aloha. Mahatoky sy mino aho hoy izy, fa hanampy antsika hatramin’ny farany ny SADEC fa tsy hamela antsika amin’izao. Namafisiny ihany koa fa tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga ny filoha Ravalomanana Marc.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...