05/12/2012
Miaina ao anaty tebiteby tanteraka ireo sekoly tsy miankina manerana ny Nosy noho ny fampihorohoroana ataon’ny CNAPS azy ireo. Ao ireo terena tsotra izao hiditra ho mpikambana ao amin’ny CNAPS, toa ny Lycée-collège Ny Hasina Sabotsy Namehana, ny école privée (EP) Zoara Mampianina Soalandy, ny EP Nantenaina Ankadivoribe, sns. Misy kosa ireo terena handoa vola be toa ny EP Credo (24.752.720 Ar) FLM (efa eny amin’ny Fitsarana), EP Maranatha Manakara (22.900.631 Ar), EP Mondain Ambolomadinika (90.131.716 Ar), Lycée Price (35.602.971 Ar), EP Liam-pandrosoana (19.159.269 Ar), La Bonne Semence (8.938.782 Ar), EP Institution Lehimbirana (13.975.944 Ar), EP Soleil (17.792.385 Ar), sekoly Akany Mitia Fir II (5.181.873 Ar), Centre Communautaire Fifampandrosoana Fir I an’ny FFPM izay
manangona ireo zazavavy mirenireny ary manomena fiofanana ho azy ireo (6.405.641 Ar), EP Fanilontsaina Fir II 41.747.492 Ar), C Faneva Fir V (16.912.259 Ar), Crèche Bambi (9.063.207 Ar), EP Le Champs le petit monde Fir II (56.212.648 Ar), EP Roitelets célèbres Fir II (6.057.397 Ar), EP Clever School Anosizato (12.192.617 Ar), Fitsimbinana Itaosy (24.749.068 Ar), EP des Princes Avaradrano (66.851.665 Ar), Santa Paoly Ambatoharanana 105 (116.862.239 Ar), EP Mon Avenir Antsirabe (11.997.752 Ar), sns.Manodidina ny 25 tapitrisa iraimbilanja ny kely indrindra amin’ny vola takian’ny CNAPS amin’ireo sekoly tsy miankina manerana ny Nosy ireo ; tereny tsotra izao hiditra ho mpikambana sady nasaina nandoa izay vola araka ny kajin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny CNAPS. Manoloana izany ary dia mahatsapa ny fikambanana mpiahy ny sekoly tsy mainkina eto Madagasikara fa ampitovian’ny CNAPS amin’ny orinasa mitady vola ny sekoly tsy miankina ; tsy fantatry ny tale sy ny mpampianatra anefa ny fepetra takian’ny CNAPS amin’ny fahazoana fisotroan-dronono sy ny fiahiana ara-tsosialy. Ny olona avy amin’ny CNAPS mitsabaka any an-tsekoly kanefa tsy manaraka ny rafitra misy amin’ny sekoly. Milaza ny CNAPS fa tsy maintsy atao ny fidirana ao aminy kanefa tsy misy tombotsoa ho an’ny tale sy ny mpampianatra ny filatsahana ho mpikambana. Manamafy koa ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina fa tokony halalaka amin’ny safidiny ny sekoly tsy miankina, ny tale ary ny mpampianatra fa tsy atao tery vay manta tahaka izao ataon’ny CNAPS izao. ny fanankatonana ireo sekoly tsy miankina mihitsy angamba no tanjon’ny CNAPS amin’izao fampihorohoroana izao.
Maro tamin’ireo sekoly tsy miankina no nandefasan’ny CNAPS vadintany hanery azy ireo hiditra mpikambana sy handoa iretsy vola be notanisaina tetsy ambony iretsy. Miendrika fanararaotam-pahefana mihitsy ny zava-mitranga raha tsy hiresaka afatsy ny Ecole Privée l’Héritage I Avaratsena Itaosy, izay noteren’ny CNAPS handoa mitentina 2.563.410 Ar araka ny taratasy fanerena ny datin’ny 29 desambra 2011, mifanandrify amin’ny latsakemboka ao aminy teo amin’ny telo volana faharoa ny taona 2010 sy ny telo volana fahatelo ny taona 2010. Vao ny faha-15 desambra 2010 anefa ity sekoly ity no nisokatra sy nahazo taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana. Toraka izany koa ny nanjo ny sekoly Le Credo any Toliara, izay tsy mahalala na inona na inona akory, kanefa namoahan’ny Fitsarana eto Antananarivo didy, araka ny fitoriana nataon’ny CNAPS, handoa vola mitentina 24.752.720 Ar.
Very ny 6 miliaran’ny CNAPS
Misy olana ara-bola àry ve ao amin’ny CNAPS ao ka tena manao izay fomba rehetra hahazoam-bola izy, tahaka izao manjo ireo sekoly tsy mainkina manerana ny Nosy ireo? Raha ny fantatra mantsy dia misy vola mitentina 6 miliara an’ny CNAPS “very” noho ny zava-nitranga tao amn’ny banky BICM. Voalaza àry fa nametraka petra-bola mitentina 46 miliara tao amin’ity banky Sinoa-Malagasy ity ny CNAPS; 2%-n’izany vola be 46 miliara izany no ambony ampanga (commission) tokony ho azon’ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotobe Raoul. Nisy orinasa vao nisokatra telo volana monja anefa nahazo trosa (crédit) mitentina 6 miliara tamin’ny BICM ary nividianana hotely be antsoina hoe Orchid Hôtel. Raha vao nahare izany ny tale jeneralin’ny CNAPS, Raoul Rakotobe dia nihazakazaka naka ny ambim-bola tao amin’ny banky. 40 miliara ihany anefa no tratrany tao sady tsy nahazo ilay ambony ampanga 2% ny tenany. Rehefa izany, nofoanana ny antoka (hypothèque) tamin’ilay hotely ary namidin’izy ireo. Very anjavona araka izany ny vola 6 miliara an’ny CNAPS. Efa misy fitoriana mipetraka mikasika ity raharaha ity moa eny anivon’ny Fitsarana amin’izao fotoana, ka dia miandry izay ho tohiny ny mpanara-baovao.
Fa mba aiza ho aiza kosa ny toeran’ireo mpandoa latsakemboka ao amin’ny CNAPS manoloana izao fahaverezan’ny vola 6 miliara izao; sahala amin’izao ve no endri-pitantanana ny vola fisotroan-drononon’ny mpandoa latsakemboka? Resaka tombotsoa manokan’ny mpitantana no niteraka fahavoazana goavana tahaka izao. Mba mahafantatra izao zava-mitranga ao amin’ny CNAPS sy ny BICM izao ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina?
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.185