05/12/2012
Tsy nisy afa-tsy tambikarama iray volana no nomena ireo sefo fokontany tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, raha araka ny fitarainana nataon’ireto farany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony tao Toamasina omaly. Araka ny fanazavan’izy ireo dia efa-bolana ny tambin-karama nampanantenaina azy ireo ary izany no nomena an’ireo sefo fokontany tany amin’ny distrika hafa. Marihana fa araka ny fitantaran’izy ireo ihany dia efa nandefa fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana tany amin’izany distrika izany izy ireo mahakasika an’ity tsy fahampian’ny tambikarama nomena azy ireo ity.
Ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany koa no nahafantarana fa ny zoma nandritra ny lanonam-panokafana ny “festival makalombo” tao Soanierana Ivongo no nahatongavan’ny Lehiben’ny faritra Analanjirofo, Saina Michel tany an-toerana nitondra sy nizara izany vola izany tamin’ireo sefo fokontany sy ny lefiny. Ny tenan’ny Lehiben’ny Faritra sy ny lehiben’ny distrikan’i Soanierana Ivongo mihintsy no nirotsaka an-tsehatra nizara ny volan’ireo sefo fokontany sy ny lefiny, raha araka ny loharanom-baovao ihany. Naharitra hatramin’ny 10 ora alina izany fizarana vola izany. Mbola maro anefa ny tsy nahazo ny azy tamin’io fotoana io ka notohizana ny ampitson’io ny fizarana. Saingy tsy nandray anjara tamin’izany intsony ny Lehiben’ny Faritra fa ny lehiben’ny distrika no nanatanteraka ny fitsinjarana ireo tambikarama. Teo anefa no voalaza fa nihena ny vola nomena ireo sefo fokontany sy ny lefiny. Araka ny fitantaran’ireto farany dia nasaina nanao sonia aloha izy ireo ary taorian’izany dia tambin-karama iray volana fotsiny no nomen azy. Araka ny fitarainan’izy ireo ihany dia, nilaza ny lehiben’ny distrika fa : “zaranareo aza mba nahazo an’iny”.
Raha araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny zandary any Soanierana Ivongo dia miisa 25 ireo sefo fokontany tsy nahazo afatsy tambikarama iray volana ireo ary nahatonga fitarainana mikasika ity raharaha ity. Raha atao ny kajy tsotsotra dia samy nangalana 90.000 ariary ny filoham-pokontany ary 45.000 ariary ny lefitra.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.963