06/12/2012
Mienjan-droa ny tady eo amin’ny ministeran’ny Fitsarana sy ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara nohon’ny fitokonan’ireto farany. Na dia nanambara ny mbola fahavononany amin’ny fanohizana ny fifampidinihana hikatsahana vahaolana amin’ity fitokonana ity aza ny avy ao amin’ny ministera dia nilaza ihany koa fa vonona ny handray fepetra manokana raha ilaina izany. Niantso ireo mpanao fitokonana mba tsy handrahona an’ireo izay vonona ny hiverina hiasa ihany koa ny ministeran’ny Fitsarana
Tamin’ny alalan’ny resaka nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Andrianasolonjanahary Jean Emile no nahafantarana fa miaiky ny mbola tsy fahitana marimaritra iraisana eo amin’izy ireo sy ny mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpirai-draharaha eto Madagasikara izy ireo. Nilaza ny amin’ny fisian’ny ezka efa nataon’ny ministera mba hanomezana fahafaham-po an’ireo mpitokona ihany koa ny sekretera jeneraly. « Efa nanome ampahany tamin’ny fitakiana nataon’ny mpiraki-draharaha ny ministera kanefa mbola tsy nakatoavin’izy ireo izany. Na izany na tsy izany tsy mitazam-potsiny akory ny ministera fa manentana azy ireo mandrankariva mba hiverina amin’ny asany. Mangataka an’ireo mpitokona ihany koa izahay ato amin’ny ministera mba tsy hanaovan’izy ireo fandrahonana an’ireo izay vonona ny hiverina hiasa. Marihana fa efa misy amin’izy ireo ny miverina miasa, toy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ao amin’nyfampanoavana. Mety handray fepetra hafa anefa izahay mba hamahana an’izao olana izao », araka ny fanazavana nataon’ity tompon’andraikitra ity. Tsy vitsy moa ny nilaza fa toa hoe efa tapa-kevitra ny hanapaka ny karaman’ireo mpiraki-draharaha mitokona mihintsy ny ministeran’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao, toy izay efa nataon’ny fanjakana tamin’ireo Paramedes sy mpampianatra Sempama izay notapahana karama.
Raha nanontaniana ny fahitany an’izay fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana kosa ny sekretera jeneralin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha dia nanambara mazava fa tsy nandrahona n’iza n’iza izy ireo hatramin’izao. Porofon’izany, hoy izy, ny momba ny « greffier en chef » ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo izay nilaza mazava teo anatrehan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa tsy hanao fitokonana. Hatramin’izao dia tsy nandray anjara tamin’ny fitokonana io tompon’andraikitra io kanefa tsy nisy nandrahona azy tamin ‘izany, araka ny fanazavana ihany. Ankoatr’izay dia nambaran’ny sekretera jeneralin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa mitohy hatrany ny fitokonan’izy ireo, ary tsy matahotra « requisition » izy ireo raha toa ka izany no fepetra tian’ny ministera ho raisina manoloana izao tsy fahitana vaha-olana izao.
Tsara ny manamarika fa samy naneho ny fahavononan’izy ireo amin’ny fanohizana ny fiaraha-midinika ny an-daniny sy ny an-kilany. Nanambara kosa anefa ny filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa ny fihaonana eo amin’izy ireo sy ny filohan’ny tetezamita no dingana manaraka hitan’izy ireo fa tokony hatao. Efa nisy ny fangatahana fihaonana tamin’ity farany ka mety ho amin’izao faran’ny herinandro izao no hanatanterahana izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d���une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.071