06/12/2012
Ny 68% amin’ireo asa miankina amin’ny Fanjakana eto Madagasikara dia anjakan’ny kolikoly avokoa. Izay no nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Transparency International mahakasika ny tahan’ny fihanaky ny kolikoly eto amintsika. Nampahafantarina omaly ny vokatr’izany fanadihadiana izany. Fikambanana iraisam-pirenena maro no nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny fanadihadiana.Nasongadin’ity tatitra ity ihany koa fa nihemotra ny laharan’i Madagasikara raha oharina amin’ny toerana nisy azy tamin’ny taon-dasa.
Raha teo amin’ny laharana faha 100 tamin’ireo firenena 182 nanaovana fanadihadiana momba ny fihanaky ny kolikoly ao aminy i Madagasikara tamin’ny dia teo amin’ny laharaha faha 118 amin’ireo firenena 175 nanaovana fanadihadiana kosa ny toerany tamin’ny fanadihadiana nivoaka tamin’ity taona ity. Nihemotra laharana miisa 11 arak’izany ny firenen-tsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia fantatra fa miha-mahazo laka ny kolikoly eto Madagasikara. Marihina fa isan’ny firenena lasa eo alohan’i Madagasikara i Indonezia sy Egypte. I Mauritanie sy Balarys kosa no aoriny. Tsara ihany koa ny manamarika fa isan’ireo firenena mandresy an’i Madagasikara eo amin’ity sehatra ity ny firenena misy krizy toa an’i Mali na koa firenena mahantra indrindra maneran-tany toa an’i Etiopia.
Ratsy endrika ny tanteraka eo anatrehan’izao tontolo izao arak’izany i Madagasikara. Nambaran’ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena Transparency International avy amin’ny fanadihadiana nataony tamin’ity taona ity ihany koa fa sehatra anjakan’ny kolikoly tanteraka ny asam-panjakana eto Madagasikara. Mahatratra 68% amin’ireo asa mahakasika ny raharaham-panjakana dia ahitana kolikoly avokoa raha araka izany tatitra izany. Raha resahana amin’ny teny hafa dia tsy misy afa-tsy ny 32% n’ny raharaham-panjakana no tsy ahitana kolikoly. Laharaha faha 118 amin’ireo firenena miisa 175 nanaovan’ny Transparency International fanadihadihana momba ny taham-pisian’ny kolikoly i Madagasikara raha arak’ity fanadihadiana ity ihany.
Marihina fa nandray anjara tamin’ity fanadihadiana ity ireo fikambanana sy mpamatsy vola iraisam-pirenena maro, indrindra ireo miara-miasa amin’ny firenena Malagasy toa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD. Ity farany izany ho ny BAD no tena nanome isa ambany indrindra an’i Madagasikara tamin’ity fanadihadiana ity. Ho azy dia 17 amin’ny zato, izany hoe tsy misy afa-tsy 17% n’ny sehatra tantanan’ny fanjakana no tsy ahitana kolikoly eto Madagasikara. Ambany dia ambany ihany koa ny isa nomen’ny Banky iraisam-pirenena an’i Madagasikara tamin’izao fanadihadiana izao satria araka ny fahitany dia tsy misy afa-tsy ny 23% n’ny asam-panjakana eto amintsika no tsy ahitana kolikoly.
Isa manomboka amin’ny aotra ka hatramin’ny 100 no angatahaha homen’ireo fikambanana iraisam-pirenena nandray anjara tamin’ity fanadihadiana ity ho an’ny firenena iray. Arakaraka ny maha ambany ny taha azo no ilazana fa anjakan’ny kolikoly ny sehatra iray izay nanaovana fanadihadiana. Ho an’I Madagasikara dia 32/100 no naoty azony. Izany hoe isan’ireo firenena mbola anjakan’ny kolikoly tanteraka ity firenena ity.
Tsara ny mampatsiahy fa iray amin’ireo firenena vitsy izay nametraka rafitra natao hiadiana manokana amin’ny Kolikoly i Madagasikara. Raha tarafina amin’ity tatitra ity anefa dia azo lazaina fa tsy mahomby io rafitra io hatramin’izao. Voalazan’ny tatitra ihany koa fa ny fanararaotana ny fahefana eo am-pela-tanana, ny fakana vola ho sandan’ny fanatanterahana ny asa iray no tena isehoan’ity kolikoly ity eny amin’ny asam-panjakana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.246