07/12/2012
Hita taratra tamin’ny tatitra nataon’ny lehiben’ny delegasion’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara, mahakasika ny fanampahan-kevitry ny Filankevitra Eropeana tamin’ny 3 desambra teo fa tsy misy irika mihintsy ny hiheverana fa hankato an’izao fitondrana tetezamita izao ny Vondrona Eropeanina. Nasngadin’ity tatitra ity fa mbola tohizan’izy ireo hatrany ny fanampahan-kevitra mahakasika ny voalaza ao amin’ny fifanarahan’ny Cotonou amin’ny fifandraisany amin’i Madagasikara; ary tsy hiova izany raha tsy tafapetraka soamatsara ny fitondrana ara-dàlana avy amin’ny fifidianana.
Mbola miahiahy fatratra amin’ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny Vondrona Eropeanina araka ny tatitra nataony omaly. Misy ireo dingana vita ka isan’izany ny fametrahana an’ireo andrim-panjakan’ny tetezamita araka ny voalazan’ny Tondrozotra, ary ny firosoana amin’ny fanatenterahana ny fifidianana. Mbola goavana ihany koa anefa ireo lesoka indrindra mahakasika ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Izay raha fintinina ny fahitan’ny Vondrona Eropeana ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nasongadin’ny Vondrona Eropeana manokana ihany koa ny mbola tsy fisian’ny tontolo azo antoka amin’ny fampizorana araka ny tokony ho izy ny fifidianana eto amintsika, izay kasaina hatao ny 8 mai sy 3 jolay amin’ny taona ho avy.
Nanamafy ny fanohanany tsy misy fepetra ny fanelanelanana ataon’ny SADC anefa ny Vondrona Eropeana, ary nilaza mazava ny lehiben’ny delegasiona eto Madagasikara fa tsy manan-kevitra ambara mikasika ny filatsahana na tsy filatsahan’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha amin’ny fifidianana izy ireo.
Na izany na tsy izany naneho ny fanohanany ny fampandehanana ny fifidianana ihany koa ny Vondrona Eropeana. Nambarany fa hanampy ara-bola ny fanaraha-maso, sy ny fanomanana ny fifidianana amin’ny lafiny rehetra ny Vondrona Eropeana. Mitentina 15 tapitrisa Euro ny vola anampian’ny Vondrona Eropeanina ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika. Nanamafy ihany koa ny fanambarana fa vonona ny hanampy avy hatrany an’i Madagasikara ny Vondrona Eropeana raha vantany vao azo antoka ary eken’ny be sy ny maro ny fifidianana. Raha atao amin’ny teny hafa dia miankina amin’ny fahavitan’ny fifidianana ara-dàlana no hiverenan’ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara.
Etsy an-danin’izany rehetra izany, mitohy hatrany ny famatsiambola mahakasika ny mahaolona avy amin’ity sehatra ity eto Madagasikara. Mahatratra 160 tapitrisa Euro ny vola atokany hanampiana an’ity lafiny eti eto amintsika amin’ny taona ho avy. Voakasik’ity fanampiana ity ny lafiny sosialy, ny fanabeazana ary ny fahasalamana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.857