Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tetik’ady hanoherana ny fanampahan-kevitra any Dar Es Salaam?

08/12/2012

Hirotsaka mivantana amin’ny fampihaonana indray ireo vondrona sy antoko politika nanao Sonia ny tondrozotra ilay rafitra mpanara-maso ny fampiharana izany tondrozotra izany. Ny filohany, ny partora Péry Rasolondraibe no nanao izany fanambarana izany. Nilaza ihany koa ny tenany fa ny hametrahana fitoniana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no anton’izany fihaonana hatao izany.Mampametram-panontaniana ny anton’izao fivoriana tampoka izao, indrindra ny fandraisan’nanjaran-dRajoelina amin’izany kanefa nandà ny hanatrika ilay fivoriana tany Dar Es Salaam ity farany.mampametram-panontaniana ihany koa ny nazoan’ny CSC vola tampoka hikarakarana an’ity fampihaonana ity.

Efa fantatra avokoa ireo antony tsy mampitovy hevitra an’ireo mpanao politika, hoy ny fanambaran’ny filohan’ny CSC (Comité de suivi et de contrôle), rafitra natsangana tamin’ny alalan’ny fifanarahana voarakitra ao anatin’ny tondrozotra, ary natao hanaraha-maso ny fampiharana an’izany tondrozotra izany. Manoloana izany dia nilaza ihany koa ny Pastora Péry Rasolondraibe fa tokony hiravina avokoa ny olana noho izay fahafantarana ny fototry ny olana izay. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia nilaza ny hamory an’ireo rehetra nanao Sonia ny tondrozotra, izany hoe ireo lehiben’ny vondrona na antoko nanao Sonia ny tondrozotra ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Amin’ny faha 10-n’ny volana desambra izao no hanaovana an’izany fivoriana izany. Ankoatr’ireo ireo izay nanao Sonia ny tondrozotra dia isan’ny hasaina hanatrika izany ihany koa ireo filohan’ny andrim-panjakan’ny tetezamita, ka isan’izany ny Filohan’ny Tetezamita sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta.
Efa ho enim-bolana izao no nitsanganan’ny CSC n any komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalan’ny tondrozotra. Isan’ny sehatra efa nahafantarana azy ireo bebe kokoa ny zava-nitranga taorian’ny fananganan’ireo fiarahamonim-pirenena an’ilay komity Fampihavanana Malagasy. Ity farany izay voatery nofoanana taorian’ny fanaraha-maso ny fomba nananganana azy nataon’ny CSC. Hatramin’izao anefa dia tsy re intsony ny momba an’izany rafitra izany izay noheverina fa hiantoka manokana ny fametrahana ny fampihavanana eto Madagasikara araka ny toro-mariky ny tondrozotra ihany.
Na izany na tsy izany mampametram-panontaniana ihany koa ny fandrenesana izao fanampahan-kevitry ny CSC izao, taorian’ny tsy faneken’ny Filohan’ny tetezamita hanatrika ny fihaonana karakarain’ny Troika-n’ny SADC any Dar Es Salaam amin’izao fotoana izao. Misy ifandraisana ve ireo tranga roa ireo sa tsia?
Tsiahivina ihany koa fa isan’ny olana nambaran’ny filohan’ny CSC fa tsy nahafahan’izy ireo nanao ny asany araka ny tokony ho izy ny tsy fananana teti-bola ahafahany manao izany. Amin’izao fotoana izao anefa dia toa nahita vola ihany izany izy ireo. Avy aiza ary izany vola izany, ary nahoana no izao vao nahita an’izany izy ireo? Sao dia mba nomena vola mba azoana mikononkonona fivoriana hampandamoka ny fanampahan-kevitra mety ho raisin’ny SADC taorian’ny fihaonana tany Dar Es Salaam ity hatao amin’ny alatsinainy ity. Raha izany anefa no izy, manome toky ve ireo mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra fa hahasoa ny firenena ary hitondra fitoniana araka ny nambarany izay tapaka amin’izany fihaonana amin’ny alatsinainy izany? Eo am-pandrasana mahita ny atiny.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...