Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaky ny fampiharana ny marikarama natolony

08/12/2012

Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’izy ireo, omaly, no nampatsiahivan’ireo mpikambana ao amin’ny “Confederation des syndicats des grands corps de l’Etat à Madagascar” ny amin’ny tokony hampiharana ny mari-karama izay naroson’izy ireo, taorian’ilay fihaonambe nataony tany Toliary.

Nambaran’ireto mpiasam-panjakana ambony ireto fa ny ministeran’ny Asam-panjakana no nilaza fa efa nankatoavina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny hampiharana an’izany mari-karama izany. Nambaran’izy ireo ihany koa anefa fa tsy mitombina ny filazan’ny minisitra iray ao amin’ny governemanta fa mbola sarotra ny fanatanterahana an’izany mari-karama izany.
Nandritra izany fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly izany ihany koa no nanambaran’ny mpiasam-panjakana ambony fa tsy anjaran’ny olom-panjakana tao azy ireo ny hitarika na hanao fitokonana, raha tsy mahakasika ny tombontsoan’ny asa no hanaovana an’izany. Nohamafisiny ihany koa fa ny fananganana ny Fanjakana no maha izy azy ny mpiasam-panjakana ambony fa tsy sanatria ny fandrodanana ny fanjakana amin’ny alalan’ny fitokonana. Diso hevitra arak’izany izay nilaza fa mikonokonona fitokonana ny amin’ny “Confederation des syndicats des grands corps de l’Etat à Madagascar”.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...