12/10/2012
Fanafody fanabeazana haizana miisa 4.000 fanomezana avy amin’ny ONU no nisy nanodina araka ny vaovao navoakan’ny AFP. Efa tsy azo ampiasaina intsony anefa izy ireo satria tsy nanaraka ny fepetra tokony hitehirizana azy ny toerana nanatobiana azy. Tsy nanam-bola nandoavana ny saran’ny ladoany intsony ny Marie Stopes ka izany no antony nahatonga ny fitarazohan’ny fijanonan’ireo fanafody fanabeazana haizana ireo tany amin’ny ladoany. Toa hoe novidian’izany mpivarotra tsy miankina izany ireo fanafody ireo ary dia naparitaka manerana ny « tsena ».
Fanafody fanabeazana haizana miisa 4.000 fanomezana avy amin’ny ONU no nisy nanodina araka ny vaovao navoakan’ny AFP. Efa tsy azo ampiasaina intsony anefa izy ireo satria tsy nanaraka ny fepetra tokony hitehirizana azy ny toerana nanatobiana azy. Tsy nanam-bola nandoavana ny saran’ny ladoany intsony ny Marie Stopes ka izany no antony nahatonga ny fitarazohan’ny fijanonan’ireo fanafody fanabeazana haizana ireo tany amin’ny ladoany. Toa hoe novidian’izany mpivarotra tsy miankina izany ireo fanafody ireo ary dia naparitaka manerana ny « tsena ».
Mazava aloha izany hatreto ny resaka fa miaina ao anatin’ny fahasahiranana vokatry ny krizy ny sehatra rehetra tsy an-kanavaka. Mazava ihany koa fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny Tetezamita ny resaka Fahasalamam-bahoaka matoa tsy niditra an-tsehatra namaha ny olana teny anivon’ny ladoany, mba nahafahana namoaka ireo fanafody ireo izay tena ilain’ny fiarahamonina tokoa amin’izao fotoana mampirongatra ny fivarotan-tena, taorian’ny fikatonan’ireo orinasa tsy miankina maro ary indrindra ny fiatoan’ny AGOA. Resabe sy fampandriana hadrisa fotsiny ny kabarin’ny filoha Rajoelina amin’ity hôpitaly manara-penitra ity. Fanafody fanomezana avy amin’ny ONU izao aza izao no nihafarany!
Mazava ihany koa fa mandeha tahaka ny mofodipaina ny fanafody fanabeazana haizana matoa nisy mpivarotra sahy nividy izany fanafody miisa 4.000 izany. Tsy mahagaga io trangan-javatra iray; tokony mba miserana indray alina eny amin’ny Avenue de l’Indépendance ny filoha Rajoelina, mitazana ireo zanaka Malagasy manao makorelina noho ny izao krizy tsy mety hahitam-bahaolana izao. Tsy mba isan’ireo tovovavy sy renim-pianakaviana voatery mivaro-tena tsy fidiny tokoa angamba ny fianakavian’ny mpitondra Tetezamita ka izany no antony mahatonga azy ireo tsy hiraharaha na hifandefitra amin’izay hevitra hamaranana izao krizy izao ! Mety ho izy ireo mihitsy aza no tena mpanjifa goavana satria any amin’izy ireo no misy ny vola.
Dia mbola sahy milaza ihany ve ireto mpanao politika eto amintsika ireto fa tena tia tanindrazana, eo anatrehan’izany fahalovana sy faharavan’ny fiaraha-monina Malagasy izany? Firaisana ara-nofo ve sisa no vahaolana hihinana vary iray lovia sa izay ilay fanovàna nampanantenain’ny filoha Rajoelina ny vahoaka teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 may? Mbola izay firaisana ara-nofo izay ihany koa no lasa fitaovana manamora ny fanaovan-tsonia, fanomezana “tsena”, famahana ny olana rehetra.
Mahalala tsara izany fahalemen’ny fiaraha-monina Malagasy nandritra izay telo taona nitondran’ny filoha Rajoelina izay ireo manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny fifanakalozana. Manome vahana ny zava-dratsy rehetra toa ny loka, fidorohana ary ny fimamoana rahateo koa ny governemanta ka tsy tokony hatao mahagaga mihitsy ny fahitana takelaka dokam-barotra manentana sy mamporisika ny olona hanao firaisana ara-nofo sy haka tsirony amin’izany toa ny hoe : « je tac tac ta quéquette » !
Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ... Lire la suite
Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ... Lire la suite
Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ... Lire la suite
Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ... Lire la suite
Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ... Lire la suite
Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ... Lire la suite
Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ... Lire la suite
Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ... Lire la suite
Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ... Lire la suite
Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ... Lire la suite
Visiteurs
610.548