27/12/2012
Jeneraly miisa 13 indray no nakarin’ny filoha Rajoelina ho « général de division » amin’izao fotoanan’ny krizy izao ; kolonely miisa 18 kosa no nakarina ho « général de brigade ». Hamelona jeneraly vaovao miisa 31 indray izany ny mpandoa hetra. Tohanam-potsiny ny fahasoavana ao anivon’ny Foloalindahy ao nandritra ity fitondran-dRajoelina ity. Grady, seza, vola ary tombotsoa maro isan-karazany. Voahitsaka an-tampon-doha mihitsy ny mpiasam-panjakana toa ny Sempama, Paramed, mpiandry fonja, Seces, ny injeniera, sns. Lakrimôzena sy fanapahana karama indray aza no setrin’ny fitakiana. Tiana ho tafita ny zanakao ? Araho ny torohevitra…
Aza dia mandany vola mandefa ny ankizy an-tsekoly firy intsony ; efa mazava ny lalana : ataovy izay hidirany ao anatin’ny Foloalindahy fa hotohanam-potsiny ny fahasoavany; raha tsy izany indray hampidiro ho isan’ireo mpilalao lavalava (rugby) ao amin’ny Maki fa azo antoka ny karama isam-bolana. Ny sandry sy ny basy ihany no miteny eto; ireo izay manana ireo fepetra roa ireo no afaka mivelona sy hahita ny anjara masoandroany amin’izao fitondran-dRajoelina izao. Avelao any izany université privée sy Ankatso izany fa tsy hitondra soa mihoatra iretsy roa ambony iretsy.
Hoy indrindra ilay ray aman-dreny iray izay : « les conscients ne sont pas armés et les armés ne sont pas conscients ». Izay no olana eto amin’ity firenena ity. Mba nitondra inona ho an’i Madagasikara sy ny vahoakany moa ny Tafika sy ny Foloalindahy hatramin’izay nisiany izay ? Remenabila aza tsy voasambotra hatramin’izao kanefa jeneraly sy kolonely firin-jato isa no velomin’ny mpandoa hetra ! Amin’izay indray mbola mitaky ny tsy handoa hetra amin’ny karamany indray izy ireo kanefa tohanam-potsiny mihitsy ny fahasoavana azon’izy ireo nandritra ity fitondran-dRajoelina ity.
Hibaby izay handimby ity fitondran-dRajoelina ity: nopotehina ny fiaraha-monina sy ny toe-tsain’ny vahoaka, nomena vahana ny tsy fanajana fitsipi-pifehezana sy ny ambaratonga, nomena izao tombotsoa rehetra izao ry zareo tompon’ny basy aman-tafondro. Tsy hita intsony izay hambara fa izao mitazana ny fitobaham-pahasoavana tohanam-potsiny ao anivon’ny Tafika sy ny Foloalindahy izao e !
Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ... Lire la suite
Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ... Lire la suite
Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ... Lire la suite
Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ... Lire la suite
Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ... Lire la suite
Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ... Lire la suite
Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ... Lire la suite
Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ... Lire la suite
Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ... Lire la suite
Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ... Lire la suite
Visiteurs
610.267