14/01/2013
Ka tsy hisy fifidianana ho vita amin’io volana may 2013 io raha izao fandehan-javatra izao. Mbola handinika indray mantsy hono ny filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Izay no nambarany taorian’ny fiverenany avy tany Tanzania farany teo. Fa inona indray aloha no mbola nandehanany tany e? Fa angaha miraharaha sy matahotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena indray ny filoha Rajoelina? Efatra taona izao ny krizy, efatra taona namono ny fiainam-pirenena sy ny Malagasy. Mbola handinika indray anefa ny filohan’ny HAT. Mbola fotoanan’ny fandinihana ihany ve izao e?
Voky hatrany an-tendakeliny marina tokoa angamba ny filoha Rajoelina matoa mbola manana fotoana handinihana. Ny voky ihany mantsy no afaka mandinika. Nianarana tany amin’ny ambaratonga voalohany ohatra ny hoe, mandinika ny omby rehefa voky, mandevona vilona ao an-kibony. Ao ihany koa ny ohabolan-drazana manao hoe: “raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy”, izany hoe tsy afaka mifantoka amin-javatra iray. Natokana ho an’ny voky irery ihany ny fahafahana mandinika ka dia nasehon’ny filoha Rajoelina mihitsy izany fahavokisany izany.
Tsy afaka hiandry izany intsony anefa ny vahoaka Malagasy izay tena noana tokoa ka tsy afaka ny handinika intsony. Tsy misy afaka hanery ny filoha Rajoelina handray fanapahan-kevitra kosa aloha e! Zony tanteraka ny mandinika; ny tenany rahateo koa voky tsara ka afaka mandinika. Fa mba ahoana ny amin’ireto vahoaka nampahoriana nanomboka ny taona 2009, ireo mpandraharaha voatery nanakatom-baravarana noho ny antony maro, ireo mpiasam-panjakana leon’ny fampanantenana poak’aty?
Ianareo irery no afaka mandinika satria tsy miasa saina amin’ny hofantrano, ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pianaran’ny ankizy, ny sakafo, ny saran-dalana, sns. Aiza intsony no mbola hananan’ny vahoaka fotoana handinihana eo anatrehan’ny olana tsy maintsy hatrehany manomboka amin’ny fotoana hipoahan’io masoandron’Andriamanitra io? Mandinika fa voky e! Ary ataovy fandinihana manara-penitra!
Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ... Lire la suite
Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ... Lire la suite
Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ... Lire la suite
Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ... Lire la suite
Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ... Lire la suite
Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ... Lire la suite
Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ... Lire la suite
Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ... Lire la suite
Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ... Lire la suite
Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ... Lire la suite
Visiteurs
610.744