18/04/2013
Diabe manara-penitra (tohiny) Raha nisy tokoa zavatra nandeha sy niroborobo nandritra ity fitondrana HAT ity dia ny fisotroana alikaola sy ny fidorohana ary ny loka. Ny olon-dresy tahaka an-dRajeannot no tena mavitrika amin’ny fananteran-drakitra any amin’ireny bar isan-karazany ireny. Nomen’ny HAT vahana ny dokam-barotra zava-pisotro mahamamo na dia voararan’ny lalàna aza izany. Nampateza azy ireo teo amin’ny sezany (efatra taona be izao) ny fampimamoana ny vahoaka; nanararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina rahateo koa ry Skol, Libertalia, Gold, THB, sns. Famotahana firenena, famotehana vahoaka tsotra izao no azo handikana izany.
Mihazakazaka izay tsy izy io ora sy segondra io rehefa hananan’olona trosa. Tsy nikipy indray mandeha akory ny mason-dRajeannot dia nipaika ny tamin’ny enina ora sy sasany hariva, aiza anefa no hahita dimy arivo hanefana ny trosan-toakan’i Serge? Tsy maintsy handalo eo anoloan’ny épi-bar anefa izy rehefa hamonjy fodiana. Tsy azo aleha mantsy ilay lalana manivaka avy eny an-tanimbary rehefa hariva. Avoakan’ilay Sinoa mpividy vato, mandendeha miala havizanana amin’ny fatorana eny mantsy ireo berger allemand telo mpiambina ny tanànany. Efa tapitra namidin-dRajeannot avokoa izay rehetra nananany fony mbola “olona”. Ny tenany sisa no tsy sahiny natao izany sady sarotra hamidy rahateo koa. Nitopy tany amin’ilay finday ny masony, nitsiry tao an-tsainy ny hivarotra azy. “Ialahy sisa ry zandry no afaka hamonjy an-dRajeannot an!”, hoy izy lokin’ny hehy. “TIM Razoky a! Efa maty daholo ny soratra amin’ny “touche”, mi-riska fotsiny ary aho amin’izany”, hoy ilay mpivarotra finday efa niasa. “Ampio gala (5.000 fmg) rangahy a! Nokia nge ‘ty fa ZTE e!”, hoy Ra-Jeannot niady varotra. “Zay izy Razoky a! Tsara tsodrano raha tsy mety e!”, hoy indray ilay mpi-bizna. Na rano eraky ny siny aza ny tsodrano hatondraka, iza intsony tokoa no mbola hividy ity findain-dRajeannot resin’ny fiainana tahaka azy?
“Aiza izy zany ry Serge a! Tsika ndray tsy mba mamitaka ‘zany fa rehefa hoe androany dia tsy maintsy androany e! Tairo dem kely ao aloha ny bandy hakàna saina, de atikena dimanjato. Aza atao mazda (Dzama) ry zandry e! Aiza àry nareo zany. ‘Vanstof ihany ny ady eo”, hoy Ra-Jeannot nanabontsina ny taolan-tratrany. Mampihavana tokoa ny vola rehefa ny samy manana azy no tafahaona. “Aaah! Ra-Jeannot! Karakarao leisy ny vahiny ry Naivo a! Aleo homena kadoa mihitsy itony akama bonne itony”, hoy i Serge mirana izay tsy izy. “Misy vavan’omby milay tsara ao raha mety amin’ty a! Fa aiza indray ‘zao ‘ty no miasa e?”, hoy hatrany izy. Saika kofin’ny toaka tany am-bavany Ra-Jeannot nandre ny fanontanian’i Serge, ny lamba maloto tokoa tsy fampidera vahoaka ka hoy izy: “ôtran’ny mikandra kely any amin’ny ville zany tsika an!”. Tsy mamaly ny fanontaniana napetraka taminy mihitsy ny valintenin-dRajeannot. Izany olona miasa izany mantsy mba fantatra ny anaran’ny orinasa sy ny toerana misy ary ary ny zavatra ataony.
Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ... Lire la suite
Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ... Lire la suite
Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ... Lire la suite
Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ... Lire la suite
Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ... Lire la suite
Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ... Lire la suite
Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ... Lire la suite
Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ... Lire la suite
Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ... Lire la suite
Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ... Lire la suite
Visiteurs
610.653