Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Aleo mifanena amin’ny mpamosavy…

08/12/2012

Rariny raha miverina ao an-tsaina ilay fomba fiteny mirakitra ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy manao hoe : « Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga », sy ilay fiteny manao hoe : « Aza manao lainga marivo tototra ndrao aelin’ny akoho tokan’anaka».

Ny anton’izany dia nohon’ny fihetsiky ny mpanao politika maro eto amin’ny firenena, indrindra ny fihetsiky ny filohan’ny Tetezamita manoloana ny fivoahana amin’ny krizy izay andrandrain’ny vahoaka fatratra tokoa amin’izao fotoana izao nohon’ny fahasahiranana efa lalim-paka loatra iainan’ny isam-pianankaviana. Nanaitra ny mpanara-baovao maro teto amintsika tokoa ny fandrenesana tamin’ny alalan’ny vaovao notaterin’ny AFP (Agence France Presse), omaly, fa efa tamin’ny zoma lasa teo no nahazo fanasana ôfisialy avy amin’ny Troïka-n’ny SADC, hanatrika sy handray anjara tamin’ilay fivoriana atao any Dar Es Salaam any Tanzania ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. Ny lehiben’ny biraon’ny fifandraisan’ny SADC eto Madagascar, Sandile Schalk mihintsy no nilaza izany tamin’ny mpanao gazetin’ny AFP izay nanontany azy mikasika an’izay fanomezana fanasana ho an’ny Filohan’ny tetezamita izay. Nambaran’ity solontenan’ny SADC eto Madagasikara ity ihany koa fa tamin’ny ara-dalàana ary tahaka ny nanomezana an’ireo fitloham-panjakan’ny SADC rehetra no nandefasana ny fanasana ho an’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Nambaran’ity diplomaty ity moa fa mampalahelo dia mampalahelo ny fandàvan’ny filohan’ny Tetezamita tsy handray anjara tamin’ity fihaonana ity.
Ny tena mahavalalanina amin’ity raharaha ity dia ny fanambarana ampahibemaso nataon’ny filohan’ny tetezamita izay nilaza tsy am-pihambahambana fa tsy tonga ara-potoana tany ainy ny fanasan’ny SADC momba an’ity fihaonana ity.
Fanazavana maro no tonga ao an-tsaina manoloana an’izany. Eo aloha ny mety ho fisiann’ny lesoka tamin’ny fandefasan’ny SADC ny taratasy. Mety ho nandainga ihany koa ny solontenan’ny SADC. Eo ihany koa anefa ny faminavinana ny mety ho fisian’ny lesoka ao an’ivon’ny fiadidiana ny tetezamita ka tsy nahatonga ara-potoana ny fanasana ho an’ny Filohan’ny tetezamita. Mety ho azo anazavana an’izany ihany koa ny fisian’ny olona avy ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita izay manao ny ataony mba tsy azoan’ny filohan’ny tetezamita ara-potoana izany taratasy fanasana izany, nohon’ny antony samihafa. Raha ireo tranga ireo no voaporofo, dia tokony hamoaka sazy enjana ho an’izay voakasik’izany ny fiadidiana ny tetezamita satria azo kilasiana ho toy ny heloka bevava eto amin’ny firenena ny fanakanana ny filohan’ny Tetezamita tsy hanatrika ny fihaonana tokony hitondra vaha-olana amin’ny krizy mahazo ny vahoaka.
Kely ihany anefa ny herijika ahafahana mino fa nisy lesoka toy izany eny amin’ny fiadidiana ny Tetezamita, satria amin’ny maha raharaha saro-pady eo amin’ny fiainam-pirenena ny atao eny dia heverina fa mipetraka ny harofanina rehetra momba ireny taratasy ho an’ny filohan’ny tetezamita ireny.
Ny tena alehan’ny sain’ny maro manoloana an’izany rehetra izany dia ny fahafantarana fa andro vitsivitsy mialoha an’ity fanasana ity dia efa naneho am-pahibemaso ny tsy fazotoany hihaona amin-dRavalomanana ny filohan’ny tetezamita. Tsy isalasalana arak’izany ny fitadiavany ny fomba rehetra mba hanazavana amin’ny vahoaka ny tsy nahafahany nandeha tamin’ity fihaonana ity, indrindra taorian’ny fandrenesana fa efa any an-toerana mialoha izany ny filoha teo aloha. Tsy mahagaga arak’izany raha miaiky ny ankamaroan’ny mpanara-baovao fa tsy mitombina ny filazana fa tsy naharay an’ity fanasana ity ara-potoana ny tao Ambohitsirotra.
Tsy sambany rahateo ny nandrenesana filazana tsy mari-pototra kanefa atao ampahibemaso avy amin’ireo mpitondra amin’izao tetezamita izao. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fampanantenana natao hatrany amin’ny kianjan’ny 13 mai mikasika ny fampidinana ny vidin’ny menaka sy ny vidin’ny vary, ary ny fampiasana ny vidin’ny Force One hividianana sakafo ho an’ny vahoaka isika. Santionanay ireo, saingy manamafy ny fahitan’ny vahoaka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita izay nilaza tsy aman-tahotra fa tsy nahazo ara-potoana ny fanasana avy amin’ny SADC.
Ny tena mampatahotra amin’ity raharaha ity dia ny fiheveran’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena an’ireo vahoaka Malagasy ho azo anaovana an’izao lainga rehetra izao. Lainga izay tsy isalasalana fa tsy ho amin’ny tombontson’izay nanao azy amin’izao volana vitsy mialoha ny hiatrehana ny fifidianana izao. Adala tokoa izay mbola hino ny olona mamafy lainga toy izany. Aleo tokoa hono, mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...